Rina Randriamasinoro – Ravalo ihany no ho kandidàn’ny TIM amin’ny fifidianana ho avy

Isambilo

Nisolotena ny filoha Marc Ravalomanana, sy ny birao politikan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), ny sekretera jeneraly nasiônalin’ny antoko, Rina Randriamasinoro, nandritra ny fifampiarahabana tratry ny taonan’ny TIM Avaradrano, teny amin’ny Fofikri Ilafy ny sabotsy teo.

Anisan’ny namafisiny tamin’izany, fa tokana ihany no ho kandidàn’ny TIM amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy, tsy misy afa-tsy ny filoha Marc Ravalomanana. Nanome toromarika koa izy ny amin’ny fanomanana ny kôngresy nasiônalin’ny antoko, sy ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara amin’ity taona ity ary ny momba ny fikaonandoham-pirenena kasaina hatao hamahana ireo olana samy hafa eto amin’ny firenena.

Hentitra i Rina fa iray tsy mivaky ny antoko TIM, ka mila miray hina isika ahazoana vokatra tsara, hoy izy. Mivonona hiatrika ny fifidianana 2023 isika ary mitaky fifidianana mangarahara sy marina, noho izany, ATAMBARO NY HERY, fa NY TONGA MIARAKA NO FANOMBOHANA, MIASA MIARAKA NO FAHOMBIAZANA, hoy ihany ity sekretera jeneraly nasiônaly ity.