Fanarenana ny RN6 – Ho sarotra na tsy ho vitan’ny fitondrana Rajoelina

Stefa

Ho sarotra na tsy ho vitan’ny fitondrana Rajoelina intsony ny fanarenana ny lalampirenena faha-6 (RN6). Maro ireo fahapotehana amin’izany lalana izany eo anelanelan’Ambondromamy, Mampikony, Antsohihy, Ambanja, Ambilobe ka hatrany Antsiranana. Tsy fahapotehana kely izany, fa tena fahapotehana lehibe tokoa.

Fony mbola kely ny lavaka, tsy noraharahian’ny tompon’andraikitra ao amin’ny asa vaventy hoy ny solontenan’ireo mpitatitra amin’iny lalampirenena mianavaratra iny, izao efa lavaka be avokoa ireo hita, ka tena ho sarotra, na tsy ho vita mihitsy izany fanarenana izany hoy izy ireo. Na izany na tsy izany, miantso ireo tompon’andraikitra hijery vaha-olana haingana sy maharitra amin’izao olana mahazo azy ireo izao ny mpitatitra, sy ireo olona rehetra mampiasa iny RN6 iny.

Vao ny faran’ny herinandro teo, taraiky ao Antsatramanera, anelanelan’Ambondromamy sy Mampikony, ireo fiara vaventy mpitatitra entana hihazo ireo faritra any amin’ny tapany avaratr’i Madagasikara. Mihitsoka tanteraka ny fifamoivoizana. Rahoviana ihany ilay fanamboarana nampanantenaina? hoy ny fitarainan’izy ireo. Mijaly ny vahoaka, tsy tafavoaka ny vokatra, tsy tonga any amin’ny tapany avaratra ny entana ary mety hisy fiantraikany amin’ny vidin’entana izany.

Ny minisitry ny asa vaventy matetika midina any avaratra ary milaza, fa efa amboarina ny lalana, saingy mijanona ho fampanantenana poakaty, sy fakana sary fotsiny ihany izany. Vonjeo ny faritra Sava sy Diana ho ny tarainan’izy ireo, amboary ny RN6.