Fetin-dry SEG sy ry Rajoelina tany Analanjirofo Noterena handoa vola ireo groupement-na zandary

Araka ny vaovao avy amin’ny loaharanom-baovao samihafa ny fanamarinana azy, noterena handoa vola avy, ireo “goupement”-na zandarimariam-pirenena (GN), nanatanterahana ny fetin’ny Sekreteram-panjakana amin’ny Zandarimariam-pirenena, na SEG sy ry filoha Rajoelina iny, ny faran’ny herinandro teo, tany amin’ny faritra Analanjirofo.

Araka ny vaovao voaray ihany, tsy lazaina intsony ny vola nalaina isaky ny “compagnies de la GN sy ny circonscription GN”. Nisy ireo namaly tsy nety nandoa satria tsy nahita sponsors na mpiara-miombon’antoka, satria dia noterena haka vola tamin’ny mpandraharaha na malala-tanana izy ireo.

Ny nampalahelo ihany koa tamin’iny fety tany Analanjirofo iny, dia ny fanaovana fitaovana ireo maty tamin’ny fianjeran’ilay helikôptera, satria: nasaina na invités ny vady aman-janak’Itompokolahy pilote, niaraka nametraka gerbe na fehezam-boninkazo dia avy eo anefa nailika; fa lasa i SEG nitokana ny kianja Sahavola tao Fenoarivo Atsinanana ary nitsinjaka niaraka tamin-dry Jerry Marcoss, nizara mari-boninahitra.

Nitsinjaka sy nifaly teo ambonin’ny fatin’ny hafa, nahazo galona sy decoration na mari-boninahitra noho ny sorona tamin’ny hafa. Nalefa nody izy 4 mianaka kamboty, fianakavian’ny pilote, rehefa avy nametraka fehezam-boninkazo, dia ry zareo nanao fety: ry Rajoelina sy ry SEG, sy ny forongony! Tsy vitsy no tohina tamin’izany zavatra nitranga tany Fenoarivo Atsinanana izany.