Mihantsy ady amin’ny vahoaka ny fitondrana Rajoelina

AndryTsiavalona

Tsy azo afenina intsony fa mitombo andro aman’alina ny tsy fitiavan’ny vahoaka malagasy izao fitondrana izao, noho ny antony maro samy hafa. Nanantena tokoa ireo nifidy azy tamin’ ny fifidianana, na dia dimy ambiroapolo isan-jaton’ny nandatsa-bato ihany aza no nifidy azy. Tany am-boalohany dia nindraindraina ny IEM, PEM, Plan Marshall, izay nambaran-dRajoelina Andry fa vina ho tanterahiny rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy. Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana anefa izy dia niova ho “velirano” indray ny tetikasa satria manana lanja lehibe izany velirano izany eo amin’ny soatoavina malagasy.

Anisan’izany ny Miami, izay tsy mazava na ny torapasika ao Toamasina no hampitoviana amin’izay misy any amin’ity tanàna ity, raha tsy itanisa hafa tsy io. Anisan’ny laharampamehana nataony koa ny famerenana ny fandriampahalemana, indrindra any Atsimon’ny Nosy, ka hasiana “puces” ny omby rehetra, hividy “drône” sy angindimby 10 hahafahana manaradia ny dahalo. Rehefa niverina ny “kere” tany Atsimon’ny Nosy ihany dia nampanantena ny hanaovana fantsona hitarihan-drano hanondrahana ireo tany maina noho ny haintany. Raha ho an’ny any Avaratry ny Nosy dia nampanantena Rajoelina Andry, fa hampiakatra avo telo heny ny vidin’ny lavanila sy hanangana ny Tranoben’ny Lavanila.

Tsy nitsahatra niakatra ny vidim-piainana, ka telo taona miampy volana vistivitsy dia mikaikaika ny vahoaka manerana ny Nosy, fa zara raha mahavita herinandro ny karama raisin’ny mpiasa. Bodoin’ny mpanambola ny tanim-bahoaka, tsy eto an-drenivohitra ihany, fa hatrany amin’ny Faritra any koa. Nandalo ny valanaretrina covid-19 ary nahazo fanampiana valonjato tapitrisa dolara, tsy ho an’ny mpitondra fa ho an’ny vahoaka kanefa dia mbola takian’ny mpiara-miombonantoka ny mangaraharahara momba ny nandaniana izany volabe izany. Nandalo ny rivo-doza ary ny tany amin’ny Atsimo Atsinanan’ny Nosy no tena nitondra takaitra, kanefa dia tsy hita mazava ny fitsinjarana ny fanampiana tokony homena ireo traboina. Sahiran-tsaina ny mpiasa sy tompona orinasa mandoa latsakemboka ao amin’ny CNAPS rehefa naheno, fa vola amanjatony miliara maro no voahodinkodina ao, ary tena manara-penitra ny nisintonana vola tao nampisamborina ny ben’ny Tanànan’Antananarivo. Tsy nisy “investissement”-ny CNAPS ny vola ao fa volan’ ny mpiasa sy ny orinasa nosintonina taminy isambolana (1% ny an’ny mpiasa ary 12¨% ny mpampiasa), ka fanodinkodinam-bolambahoaka izany. Mitroatra ny mpandraharaha nanamboatra làlana fa tsy voaloan’izao fitondrana izao ny karama nifanarahana kanefa ny làlana vita efa ho roa taona izao. Tsy mbola nandray ny vatsim-pianarany ny mpianatra dimy volana miampy ny fampitaovana eny amin’ny Anjerimanontolo, polyteknika Vontovorona sy ny eny Ankatso. Torak’izany koa ny mpandraharaha ara-teknika eny amin’ny Ambaratonga Ambony, sy ireo nilatsaka antsitra-po tamin’ny fitsaboana ny mararin’ny covid-19 eny amin’ny CTC. Sahiran-tsaina ny mpitantana orinasa, na ny eny amin’ny orinasa afaka haba aza, noho ilay lazain’ny ao amin’ny sampandraharahan’ny hetra “redressement fiscal”. Tsy diso anjara amin’izany fitakiana volabe izany izay manana trano eto an-drenivohitra, ka misy miakatra avo folo heny mihitsy ny hetran-trano takiana aminy.

Raha ireo no jerena dia toa tsy manam-bola izao fitondrana izao, kanefa rehefa mijery ny fiara ampiasain’izy ireo sy ny trano onenany dia tsy izany velively. Ny olana dia telo taona sy telo volana aty aorian’ny nitantanan’izao fitondrana izao ny Firenena dia tsy nisy tanteraka ny velirano nataony, fa fotodrafitrasa tsy misy ifandraisana amin’izay nanaovany velirano no nihazakazahany natsangana (Colysée, Kianjan’i Mahamasina,…). Nilentika tanteraka ny Orinasam-pirenena Air Madagascar, ka tamin’ny tetezamita dia namidin-dRajoelina Andry 25 tapitrisa dolara, raha 60 tapitrisa dolara no tokony ho vidiny, ny fiaramanidina Air Force One II kanefa tsy fantatra hoe: narotsaka taiza izany. Efa manomboka koa ny fialan’ainan’ny Jirama matoa omena “subvention” aman-jatony miliara kanefa dia nifampizara samy nahazo miliara ireo manampahefana ao? Manginy fotsiny ny fanitsakitsahan’ny mpitondra, manomboka amin-dRajoelina Andry, ny lalàna velona ary ny tena zava-doza dia ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana. Maizina tanteraka ny làlana nitondran’ny governemanta teo aloha an’i Madagasikara kanefa dia natsangana indray ny “vaovao”, izay efa miteraka resabe eo anivon’ny sehatra rehetra sahady. Aleon’izao fitondrana izao mamelona ny mpamboly any ivelany amin’ny fanafarana vary any, fa ny tantsaha malagasy 80% avelany hitsipozipozy.

Raha ireo tranga ireo no tombanana dia efa leo tanteraka an-dRajoelina Andry sy ny mpiaradia aminy ny vahoaka malagasy. Hita taratra indray fa misy mpikambana voatendry ao amin’ity govenemanta ity no tsy sahin-dRajoelina Andry andraisana fepetra, tokony ho ao an-tsainy mandrakariva anefa fa “aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka”. Tsy maintsy hivondrona daholo ihany izay tratry ny tsindry hazo lena sy voailikilika ary iharan’ny tsy rariny, satria misy fetrany avokoa ny zavatra rehetra.