Mpandraharaha Randriamparany Jean Bosco – Manao lalana manampy ny kaominina Ambohitrolomahitsy

Aly

Tsy vitsy ny lalana simba ao amin’ny kaominina Ambohitrolomahitsy distrikan’i Manjakandriana tamin’ity fotoam-pahavaratra ity. Noho izay antony izay, nanolo-tanana ny kaominina any an-toerana ho fanarenana ireny lalana simba ny mpandraharaha tanora any an-toerana, Jean Bosco Randriamparany na Dadafara. Nambarany tamin’izany: “efa mandeha ny asa fanamboarana lalana any Belanona, ka raha te hanampy ny fiadidiana ny tanàna, be dia be ny lalana simba mila amboarina ety amin’ny Kaominina AMBOHITROLOMAHITSY, fa tsy ny efa misy manamboatra ihany no atao.

Tamin’ny vao simba io no efa nandeha teny foana ny fokonolona tsy nijery izany ny kaominina, izao efa mandeha ny asa vao hoe hanampy? Dia gaga ianao. Efa hataon’ny Fokonolona izany ary mpandrafitra matihanina no mandrafitra azy, ny VATO SY CIMENT efa vonona ny tenako hiantoka azy mandrapahavitan’ny asa.

Ny resaka politika indray, mbola tsy niteny taminareo izaho hoe: hirotsaka Sefo Fokontany na Ben’ny Tanàna na Depiote nefa dia henjehinareo foana! Tanindrazako Ambohitrolomahitsy, toerana nahalatsahan’ny tavoniko, koa izay no antony hanampiako ny vahoaka eto AMBOHITROLOMAHITSY satria adidiko izany”, hoy ihany ity mpandraharaha tanora ity.

Ankoatra izany, hanampy ireo tanora mpilalao baolina kitra avy amin’ireo fokontany miisa 20 any Ambohitrolomahitsy Randriamparany Jean Bosco, hanome baolina sy akanjon’ny mpilalao na maillot ihany koa. Misy ny fifaninanana baolina kitra any an-toerana, manampy ireo mpikarakara koa izy.

Ankoatra izany, miseho lany ny tsy fandriampahaelmana any amin’ity kaominina Ambohitrolomahitsy ity amin’izao fotoana, intelo nisy nanafika ny fokontany Avaratrambolo tamin’ity taona ity, lasan’ny dahalo avokoa ny ombin’ny mponina tany an-toerana. Noho izany, miantso ny tompon’andraikitra ihany koa Randriamparany Jean Bosco hijery akaiky izao tsy fandriampahalemana any Ambohitrolomahitsy izao.