Filoha Ravalomanana – Mila tanterahana haingana ny fikaonandoham-pirenena

Isambilo

Naneho ny heviny mahakasika ny fanovana ny mpikambana sasany ao amin’ny governemanta omaly, ny filoha nasiônalin’ny anto TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, Marc Ravalomanana. Nambarany tamin’izany, fa tsy misy antenaina ny amin’io governemanta faha-6 ny Praiministra Ntsay Christian io, misy ny ministra efa tsy nahomby hoy izy, mbola naverina ho mpikambana amin’ny goverenemanta ihany, nefa efa hita sy tsapa hatramin’izay ny tsy fahombiazany, na tsy fahaizany mihitsy.

Tsy ho atokisan’ny mpamatsy vola mihitsy noho izany izy ireo hoy i Dada, ny vahoaka ihany anefa no hizaka izay fikatsoan’ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola izay. Be ny olana samy hafa eto amin’ny firenena, ilana ny fikaonandoham-pirenen’ny olom-pirenena rehetra avy amin’ny sokajy samy hafa, hoy ihany ny filoha Marc Ravalomanana.

Anisan’izany ny momba ny lisi-pifidianana, mba ho fifidianana tena eken’ny rehetra tsy hisy olana intsony ny fifidianana filohampirenena ho avy eo. Ny olana ara-toekarena sy sosialin’ny vahoaka izay miha-mikorosy andro aman’alina amin’izao fotoana izao ihany koa hoy izy dia ilana izay hevitry ny maro izay ny famahana azy. Ny hevitry ny maro tokoa mahataka-davitra.

Ilaina arak’izany ny fanatanterahana io fikaonandoham-pirenena io arak’izay haingana, hoy ihany ny filoha nasiônaly sady mpanorina ny antoko Tiako i Madagasikara.