Praiministra Ntsay C. – Mamikitra nefa mamiratra amin’ny tsy fahaiza-mitantana

Ny Valosoa

Miditra amin’ny governemanta faha-6 tantaniny amin’izao fotoana ny Praiministra Ntsay Christian, niova in-6 ny ekipa miaraka aminy ao amin’ny mpanatanteraka, midika izany, fa izy mpitarika mihitsy koa no tsy mahomby. Mifikitra mafy ity lehiben’ny governemanta ity na dia mamiratra amin’ny tsy fahaiza-mitantana aza, “inefficace, inefficient” hoy ny Vondrona Eôrôpeana.

Tsy gisitra amin’izany tsy fahaiza-mitantana sy manala baraka ny mpanatanteraka izany koa: ry ministra Veta sy ry Rolety mason-tsikilaonina. Ny tomponandraikitra tamin’ny fitantanambola nitsoaka fanadihadiana parlemantera dia miverina manolo an’ilay ministra Vazahabe tsy mahay teny gasy afa-tsy ny teny ratsy ao amin’ny raharahambahiny. Ilay nisahana fanatanjahantena nalefa tao amin’ny fitaterana dia indro naverina ao amin’ny fanatanjahantena ihany. Misy koa no heverina ho “toute clé » araka ny fitenin-jatovo azy : efa tao amin’ny ministeran’ny asam-panjakana, ny atitany ary izao indray dia any amin’ny fanajariana ny tany, nefa tsy hita akory izay zavatra nisongadina vitany hatramin’izay. Ilay voaroaka tao amin’ny harena an-kibon’ny tany moa dia nalefa ao amin’ny ministeran’ny rano indray.

Izany no hoe: tena kitoatoa, ka ny Praiministra sy ny filohampirenena mpanendry mihitsy no tokony hiala avokoa, fa tsy mamely daholo araka ny fitenin-jatovo ihany. Ny Praiministra nitana ny toeran’ny ministry ny harena an-kibon’ny tany teo, tsy nisy ny volamena naondrana tamin’ny fomba ara-dalàna nandritra izany nitondrany izay, midika izany fa tena tsy ao mihitsy izy sy ny olona teo ambany fiadidiany.

Toerana ministra 9 no nahitam-piovàna. Mbola maneho tsy fahamatorany sy tsy fahafehezana ny fitantanana ny firenena hatrany ny mpitondra misy ankehitriny. Saritsarim-pikitihana no zavamisy. Tahaka ny tainomby avadika ihany izy ity, ny eo ihany no eo, mijanona ho tainomby foana. Inona indray no zavatra fahatany (scandale) hataon’izy ireo indray? Mety tsy maintsy mbola hisy izany!