Mpikambana governemanta vaovao – Tsy manana olona Rajoelina, ministra 9 ihany no nosoloina

Ny Valosoa

Nambara omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo voatendry ho mpikambana vaovao ao amin’ny governemanta Ntsay Christian. Amin’ny ankapobeny dia ny teo ihany no miverina raha tarafina tamin’ity fanendrena nivoaka omaly tolakandro ity.

Ministra miisa 9 ihany no nosoloina, ny ankabeazan’ireo voatendry dia efa tamin’ny governemanta teo aloha ihany izy ireo, tsapa sy hita fa tsy manana olona izao fitondrana Rajoelina izao, na mety tsy misy mety miara-miasa aminy ny manam-pahaizana sy ireo manana traikefa amin’ny fitantanana sy ny fitarihana, noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fanaovanaovana zavatra fahatany, sy fitenitenenam-poana ataon’ireo mpitondra amin’izao fitondrana izao.

Misy ireo mpanaraka ny raharaham-pirenena no nilaza fa mbola tafaverina ihany izany “ry Veta” sy “ry Vôtany”, hoy izy ireo. Ireo ministra 9 vao notendrena, ny ankamaroany dia efa tao anaty governemanta teo aloha, na tany aloha ihany izy ireo:
-Ministry ny raharaham-bahiny: Richard Randriamandranto.
-Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, ministry ny fitsarana : François Rakotozafy.
-Ministry ny fanajariana ny tany sy ny fananantany: Pierre Holder Ramaholimasy.
-Ministry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana: Tokely Justin.
-Ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena : Tinoka Roberto.
-Ministry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro: Roland Ranjatoelina.
-Ministry ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana : Fidiniavo Ravokatra.
-Ministry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika : Herindrainy Olivier Rakotomalala.
-Ministry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy: Vina Orléa.

Ny ministra 6 dia efa ministra teo aloha, ny 3 no tena vaovao. Ny mpikambana hafa ao amin’ny governemanta Ntsay Christian dia tsy nisy niova.