Fikambanana FIAM – Miantso fihaonambem-pirenena hanovana ny lalampanorenana

Franck Razakambelo

Ny rafitra misy eto Madagasikara no misakana ny fampandrosoana, satria ny vahiny no mibaiko ny zavatra rehetra tanterahina, hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena. Nampahafantarina tamin’ny fomba omaly, tetsy amin’ny Hotel Le Pavé Antaninarenina ny fikambanana FIAM (Fanorenana ifotony an’i Madagasikara).

Fikambanana mampivondrona ny olom-pirenena tia tanindrazana, ho fanavotana ny firenena amin’ny alalan’ny fandravonana ny olana ara-politika, ara-toe-karena, ara-tsosialy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Nilaza Andriamatoa Joseph Yoland mpikambana ao amin’ny FIAM, fa ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena handraisan’ny hery velona rehetra anjara, sy ny fanovana ny lalampanorenana alohan’ny fanatanterahana ny fifidianana, no laharam-pahamehana.

Naneho hevitra Andriamatoa Johny Paul mpikambana ao amin’ny FIAM, fa ilaina ny fametrahana ny fanorenana ifotony amin’ny alalan’ny fandraisan’ny Malagasy rehetra anjara amin’ny zavatra atao eto Madagasikara, mba hisian’ny fitoniana ara-drafitra sy ara-tsosialy ary ara-toekarena. Nilaza koa Andriamatoa Ramanantsoa Victor mpikambana ao amin’ny FIAM, fa ny fampivondronana ny hery velona rehetra no herijika ahafahana manatratra ny tanjona amin’ny alalan’ny fiaraha- mientana ataon’ny olom-pirenena, izay hamaritra miaraka ny lalan-kizoran’ny firenena. Mbola hitety an’ireo hery velona rehetra eto Madagasikara ny fikambanana FIAM, handresy lahatra an’ireto farany amin’ny fanatanterahana ny fanorenana ifotony, satria tokony hiainga avy eny amin’ny fokontany avokoa ny rafitra sy ny politika hitantatanana ny fanjakana.