Raharaha Cnaps – Tokony hogadraina koa ny ben’ny tanàna Vazahabe hoy i Fanirisoa

Stefa

Mbola nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny raharaha Cnaps i Fanirisoa Ernaivo, anisan’ireo mpitarika ny fanoherana any ivelany amin’izao fotoana, omaly, tao amin’ny tambazotran-tserasera sôsialy. Nambarany tamin’izany fa tsy tokony ho ireo olona miisa 5 tao amin’ny Cnaps ihany no nosamborina, fa tokony ho samborina koa ny Vazahabe Naina Andriantsitohaina ben’ny tanànan’Antananarivo, sy ireo ekipany nindram-bola 11 miliara Ar tao amin’ny Cnaps, hividianana ny Easy Park.

Fandikan-dalàna koa mantsy hoy ity mpitsara, mpahay lalàna ity, ny nataon’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo Renivohitra momba ity raharaha Cnaps ity. Toy izany koa, fandikan-dalàna ny nanomezana vola avy amin’ny Cnaps ho an’ny mpanazatra ny Barea teo aloha Nicolas Dupuis, izay efa an-jatony tapitrisa Ariary mahery koa izany. Lasa toa tantely afa-drakotra fotsiny mantsy hoy izy ny volan’ity tahiry ho fitsinjovana ara-tsosialy ny mpiasa amin’ny tsy miankina ity, nefa ireo mpiasa sy ny fianakaviany tsy tena misitraka izany vola, latsakemboka izay efain’izy ireo isam-bolana izany, ireo mpiasa amin’ny tsy miankina anefa no tena mameno io kitapom-bolan’ny Cnaps io.

Mbola ho tantara mitohy, sy ho randra-mitarika ity raharaha ity, tokony ho saziana avokoa izay nanao ny tsy mety!