17 Martsa – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao, ary halefa amin’ireo rehetra mety hiantefany koa, indrindra ny ao amin’ny ministeran’ny fitsarana.

Mbola miandry ny famoahana ny marina t@ famonoana sy fampamonoana ny olon’ny Mpanohitra tany Toliara izahay. Tsy adinonay velively ireny habibiana nataon’ny olon-tsy vanona ireny. Famonoana tsotra izao no natao, fa tsy nisy halatra velively tao satria vao avy namono ny jiolahy dia lasa niala.

Ny Filoha RAVALOMANANA Marc Filohan’ny mpanohitra dia nilaza fa misy antony POLITIKA no nampamonoana azy.

Miantso ireo olona avy any Toliara koa mba hiaraka hitaky ny famoahana ny marina t@ ireny habibiana ireny.

TSY ADINONAY VELIVELY. AVOAHY NY MARINA RY MPIKARAKARA NY FANADIHADIANA SY FITSARANA MOMBA IO RAHARAHA IO.

Andrianjakahasina Rasamimanana
Mpamaky gazety Ny Valosoa