Fiarovana ny ministra Hawel sy Tinoka – Tsy ankasitrahan’ny olona sasany any Morondava

Rajepa

Tsy ankasitrahan’ny olona sasany any Morondava ny fiarovana ny ministra Hawel sy Tinoka, nataon’ireo olom-boatendry sy olom-boafidy tany Morondava. Araka ny vaovao azo avy any an-toerana: voaompa sy nataon’ny olona toy ny fako ireo olom-boatendry sy olom-boafidy volom-boasary any amin’ny faritra Menabe ireo:

Manoloana ny fanambarana, izay fiarovana ny minisitra Hawel sy Tinoka Roberto nataon’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry tao Menabe dia tezitra sy nampiaka-peo tao amin’ny tambazotran-tserasera facebook ny olona sasany any Menabe, ka nanompa sy nanome tsiny ireo tompon’andraiki-panjakana any an-toerana, izay toa variana miaro tombontsoan’olom-bitsy, sy tombontsoan’ny antoko, fa tsy miasa saina amin’ny tombontsoan’ny vahoaka: amin’ny vidim-piainana efa tsy zakan’ny aina ity ary ny tena nahagaga ny maro dia ny nahita an’Andriamatoa Préfet an’i Morondava niaraka tamin’ireto olon’ny antoko ireto, nefa dia izy mihitsy no niteny tamin’ny nandraisany io toerana io, fa tsy olon’ny antoko izy sady tsy natolotry ny mpanao politika, satria araky ny fantatra tokoa dia ny Evekan’i Morondava, no nanolotra azy tamin’ny filoha, mba hametrahana azy ho préfet io, satria efa niofana ho pretra ny lehilahy ary mpianatr’io Eveka io izy tamin’izany, nefa dia izao nivadika tamin’ny filohan’ny fivondronambe ny Eveka izao, ka niray petsapetsa amin’ny mpanao politika nefa amin’ny maha-olom-boatendry azy dia tsy tokony hiandany na amin’ny atsy na ny aroa.

Sarotra ny hitokisana ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara, raha ny tompon’andraikitra toy izao no miandany amin’ny antoko politika araky ny nambaran’ireo filohampokontany eto Morondava.

Koa araky ny antso ataon’ireo olona sasany any Menabe, ao amin’ny tambazotran-tserasera sôsialy Facebook dia takiany, ny hanalana ireo olona mpiaro tombontsoan’olom-bitsy ireo.