Anosibe an’ala – Mirongatra indray ny halatra taolam-paty

Stefa

Mirongatra indray ny halatra taolam-paty amin’izao fo-toana any amin’ny dis-trikan’Anosibe An’Ala any amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Tambazotra mihitsy ireo mpangalatra manao izany asa ratsy izany. Noho ny ezaky ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana anefa, sa-ron’ny zandary any an-toerana ny 7 lahy mpan-galatra taolam-paty izany.

Ny 08 martsa 2022 lasa teo, naharay vaovao marim-pototra tamin’olona tsara sitra-po ny zandary izay miasa eo anivon’ny “Cellule de coordination de la gendarmerie Anosibe An’Ala”, fa misy olona miisa 7 lahy mampiahiahy mitondra entana tsy mazava no mivezivezy ao amin’ny fokontany Antanambaovao sy Antaninarenina, Kaominina Anosibe An’ala. Raha vantany vao naharay an’izany ireo Zandary miasa ao Anosibe An’ala dia nanao fikarohana notarihan’ny Lieutenant Fidimalala Ricardo, Officier coordinateur Anosibe An’ ala, ka nametraka velapandrika sy nanao bemidina tany amin’ny PK 60 Fokontany Faravohitra, kaominina sy Distrikan’ Anosibe An’Ala, niaraka tamin’ireo Fokonolona, ny 09 martsa.

Tokony ho tamin’ny 5 Ora hariva, no tra-tehaka teo amin’ny toerana atao hoe Ampasampito ireo olon-dratsy miisa telo sy ny taolampaty milanja 50 kg nentin’izy ireo, raha toa ka vaky nandositra ny efatra. Nomena baiko ireo Zandary izay miasa any Antandrokomby hanao fisafoana ny lalana mety hitsoahan’ireo olondratsy tafaporitsaka.
Ny 10 Martsa tokony ho tamin’ny 02 tolakandro no noraisim-potsiny tao Androrangavola Fokontany sy kaominina Antandrokomby izy efatra mirahalahy, raha hikasa ny hitsoaka nankany Marolambo teo ampandraisana lakana. Naterin’ireo Zandary sy Fokonolona tany amin’ny Cellule de coordination Gendarmerie any Anosibe An’Ala ireto farany, raha samy niaiky fa tompon’antoka mivantana tamin’ny famakiana fasana sy fangalarana taolam-paty.

Raha tsihivina dia nisy vaky fasana nifanesy iny tampany atsimon’ny Distrikan’ Anosibe An’Ala sy Marolambo iny ny faran’ny taona 2021, tao amin’ ny Fokontany Antsatsaka, kaominina Amboasary, distrikan’i Marolambo. Nandritra ny fanadihadiana savaranonando no nahafantarana, fa tambazotra maromaro izy ireo no tompon’antoka tamin’ izao asa ratsy izao, ka misy amin’izy ireo no mpitarika fivavahana (Pasteur ) ary misy ihany koa ny avy any amin’ny Kaominina Ranomainty Distrikan’Amparafaravola ary avy any Amboanjobe Distrikan’Ankazobe, raha toa ka mpianatra ao amin’ny Oniversite Toamasina, no atidoha nikotrika izao famakiana sy halatra taolampaty izao.