Fandrefesan-tany sy fananan-tany – Tsy ampy ny serasera tamin’ny fankalazana ny faha-125 taona

Rajepa

Toy ny faritra rehetra dia nankalaza ny famaranana ny faha-125 taonan’ny fandrefesantany sy ny fananantany teto Madagasikara, ny tato Menabe. Nivoitra tamin’izany, fa isan’ireo olana telo lehibe ato Menabe ny olan’ny fananan-tany, izany no nisy dia noho ny tsy fahaizana mitantana, sy ny tsy fisian’ny serasera teo amin’ity sampan-draharaha ity, izay no nanaovana ny varavarana misokatra nandritra ny fankalazana ity faha-125 taona ity, nifototra tamin’ny lohahevitra hoe: “fananantany ho an’ny vahoaka “. Ny tanjona dia ny fanamorana ny fikarakaran’ny olona ny taniny ; tohizina amin’ny fiaraha-miasa amin’ny haino vaky jery eto an-toerana izao hetsika izao, koa manao antso avo amin’ireo mpiara-miombonantoka ny talem-paritry ny fananantany sy fandrefesantany, Andriamatoa Vivant Roger satria tsy manana teti-bola natokana ho an’ny serasera ny ministera, hoy izy.