Fanatanjahantena Malagasy – Io fa manomboka mihàtra amintsika ny sazy

Rainilita

Io àry fa manomboka ny sazy omen’ny rafitra iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena Malagasy. Nosazian’ny FIPJP “federasiôna irai-sam-pirenena amin’ny taranja tsipy kanetibe” tokoa i Madagasikara, fa tsy nahaloa ny saran’ny fian-tranoan’ireo delegasiôna malagasy tany Santana Suzanna any Espagne, nandritra ny fiadiana izay ho tompon-daka eran-tany tamin’ity taranja ity, tamin’ny volana nôvambra 2021 (4 volana lasa izay).
Vokany : tsy mahazo mandray anjara amin’ireo fifaninanana iraisampirenena rehetra mandritra ny herintaona raha kely indrindra, mandra-pahaefa an’izany trosa izany, ny taranja tsipy kanetibe malagasy.

Toy izao indrindra ny fanambarana nataon’ny kômity mpanatanterak’ny FIPJP mikasika an’izany : “ Suite au comportements indigne du Gouvernement de Madagascar, le Comité Exécutif de la FIPJP a decidé d’exclure les équipes Malagaches de toutes les compétitions de Pétanque au minimum pendant un an et jusqu’à la régularisation de la situation »..

Nambaran’ity fanambarana ity ihany koa fa ny saran’ny fiantranoan’ny minisitry ny fanatanjahantena, Hawel Mamod’Ali, sy ny an’ny tale misahana ny fanatanjahantena, Rosa Rakotozafy, tonga tany Espagne ihany tamin’io fotoana io, no efa nefain’ ny Malagasy.
Taranja isan’ny mampamiratra an’i Madagasikara ny tsipy kanetibe, saingy isika izao voasazy izao noho ny resa-bola indray.

Dia nampahatsiahivin’ny FIPJP ihany koa, fa efa voatery nandoa am-paosiny lelavola 50.000 euros ny filoha mpanorina ny Fsbm, Randriamarohaja Dolys, tamin’ny fandehanan’ny ekipa nasiônaly malagasy niatrika ny “Championnat d’Afrique” tany Lomé Togo, izay nolazainy am-bava tamin’izany fa : “haloan’ny Governemanta Malagasy izany vola izany”.

Mampalahelo fa tsy afaka handray anjara amin’ny taranja tsipy kanetibe izany i Madagasikara amin’ ny lalaon’ny nosy, izay hatao eto amintsika amin’ny taona 2023, sy amin’ireo fiadiana ho tompondaka eran-tany hatao any Karls-lunde Danemark (simples, doublettes et mixtes), amin’ny volana mey 2022 sy any Bénin (triplettes hommes) amin’ny desambra 2022 ary koa amin’ ireo fifaninanana tsipy kanetibe karakarain’ny FIPJP manontolo.

Karazany voalohany ihany ity tranga ity eo amin’ ny sazy mety hahazo ny fanatanajahantena Malagasy, raha ny zavamisy eo amin’ity sehatra ity no asian-teny.