Endrika kolikoly ao amin’ny CNRO Nosy-Be – Tsy azo ny ambim-bolan’ny orinasa nanao azy, 36 tapitrisa Ar

Stefa

Tsy mbola azo hatramin’izao ny ambim-bolan’ny orinasa tena nanao ny labôratoaran’ny CNRO: Centre de Recherche Océanographique any Nosy-Be, faritra Diana. Orinasa any Nosy-Be no tena nanao izany asa izany, nisy orinasa hafa avy aty Antananarivo anefa nisandoka ka naka io vola 36 tapitrisa Ariary io.

Raha nasiam-panatsarana ny labôratoara eo anivon’ny CNRO Nosy-Be sy any Vangaindrano, tetikasa avy tamin’ny ministera mpiahy dia ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ny taona 2017, nitentina teo amin’ny 300 tapitrisa Ariary ny nanatontosana ny asa.

Raha ny tany Nosy-Be dia nanomboka ny asa tamin’ny volana Septambra, ka vita ny volana Novambra 2017, nitentina 51 tapitrisa Ar ny vola nanaovana ny asa, ka nahazo avance ny orinasa nanao ilay asa tany Nosy Be, nitentina 15 tapitrisa Ariary, fa ny 36 tapitrisa Ariary no vola sisa tsy voaloa.

Talohan’ny tao amin’ny PRMP nandeha tany Nosy-Be hijery ny fahavitan’ny asa, mba hahafahana hanefa ilay vola sisa tavela dia tatran’ny loza na accident ka maty ny volana Novambra 2017 io, ny tompon’andraikitry ny PRMP eo anivon’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.

Niezaka nifandray sy niakatra taty amin’ny Ministera ary niresaka tamin’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny Minisitera, fa tsy nahazo valin-teny mahafapo, fa ramatahora sy tsindry ary fandrahonana no hita sy azo aza, hoy Andriamatoa TSAKONY Jean, Talen’ny orinasa tena nanao ny trano tany Nosy-Be.

Taty aoriana, nahazo vaovao ny tompon’andraikitra nanao ilay asa, fa orinasa Henintsoa taty Antananarivo no nisandoka ho nanao ilay asa tany Nosy Be ary naka ilay vola ambiny nefa io orinasa io tsy nanao ilay asa akory, ka tamin’ny volana Desambra 2017 no nivoahan’io vola io tao amin’ny Ministera mpiahy.

Ny 36 tapitrisa Ariary, vola tavela tamin’ny asa, ilay orinasa tany Nosy-Be no namoaka am-paosy ny nandoavana ireo entana novidiana sy nanafarana entana nanaovana asa ary ny karaman’ireo mpiasa, efa 05 taona izao no nahavitan’ny asa, mahatsapa izy fa efa tokony hiasana ity trano ity, ka tsy nanao sakana amin’ny tombontsoan’i Nosy- Be aho hoy TSAKONY Jean, Tale ny orinasa nanao ny trano tany amin’ny Nosy Manitra, ka natolony tamin’ireo mpiasan’ny labôratoara eo anivon’ny CNRO ny fanalahidy na ny la clé, mba tsy ho vato misakana izy, na tsy azo aza hatramin’izao ny ambim-bolany.

Momba ity raharaha ity, nisy tale jeneraly iray avy ao amin’ny ministera nidina tany Nosy- Be, nilaza fa tsy orinasa tany Nosy-Be no nanao sy nahavita ny asa fanatsarana labôratoara ao amin’ny CNRO, fa ny orinasa Henintsoa avy aty Antananarivo, izay tsy marina velively. Voalaza fa mbola nanao ramatahora sy tsindry ary nandrahona koa ity tale jeneraly ity nilaza, fa hanagadra ilay talen’ny orinasa izay nahavita ny asa tany an-toerana. Manahy mafy Andriamatoa Tsakony Jean, fa mety mpiray tsikombakomba ity tale jeneraly ity momba izao raharaha izao, nefa hay sy hitan’ireo mpiasa any amin’ny CNRO, fa ity mpandraraharaha Tsakony Jean ity no tena nanao sy namita ilay asa. Manaitra ny tompon’andraikitra sy ny Bianco arak’izany ny any an-toerana hijery akaiky izao raharaha izao.