Miaramila miandry tanànana mpanefoefo – Manampatra fahefana amin’ny mponina manodidina, any Ambanja

Niaina

Araka ny fanambarana nataon’Andriamatoa Ali Sarety, depiote teo aloha tany amin’ny distrikan’Ambanja faritra Diana, tao amin’ny televiziôna MBS, misy miaramila mpiambina tanin’olona mpanefoefo amin’izao fotoana any an-toerana manampatra fahefana amin’ny mponina manodidina izany tany izany.

Ny herinandro teo, lehilahy iray 64 taona niandry omby teo akaikin’io tanin’olona mpanefoefo iray io no niharan’ny antsojay nataon’ireo miaramila mpiambina. Misy miaramila karamain’ilay mpanefoefo tokoa miambina io taniny io, ka raha sendra manakaiky fotsiny ilay tany ambenany ity lehilahy mpiandry omby ity dia sazian’ity miaramila. Notakian’ity miaramila vola ilay lehilahy ary nilaza fa tsy nanana, ka dia nasainy nandihy. Nilaza ilay lehilahy fa tsy mahavita mandihy, ka dia nampanaoviny «pompe» 200.

Nitaraina ihany ity lehilahy ity, fa tsy mahavita izany, ka dia nasainy nanao marche « canard» 20 mandroso sy miverina. 10 ihany anefa no vitany dia nijanona izy. Efa fanaon’ireo miaramila ny toa izao, hoy ireo manodididina, rehefa tsy ampy vola na noana izy ireo. Mitaraina ireo mponina noho ny tebiteby aterak’izany.