TIM Betsiboka – Vonona haka fahefana sy hanabe voho ny antoko koa

Helisoa

Vonona haka fahefana sy hanabe voho ny antoko koa ny avy amin’ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara) any amin’ny faritra Betsiboka. Fantatra izany nandritra ny fandalovan’ny mpitarika an’izy ireo eto an-drenivohitra amin’izao fotoana, solontenan’ny TIM avy amin’ireo distrika 3 mandrafitra ny faritra Betsiboka dia ny avy any Kandreho, Tsaratanana ary Maevatanana.

Manao tohivakana ny fikambanana maro sy ny antoko Tiako i Madagasikara avy eto Antananarivo sy avy any amin’ny faritra miarahaba ny filoha Marc Ravalomanana eny Faravohitra, ao amin’ny trano fonenany, na efa volana martsa aza isika izao . Ny solontenan’ny TIM avy any amin’ny faritr’i Betsiboka izay voasolo tena tao avokoa ny disitrika mandrafitra azy Maevatanana, Kandreho ary Tsaratanana no niarahaba ny filoha Marc Ravalomanana omaly. Nifampirary soa sy nitafa ohatra ny ray amandreny sy zanaka ny roa tonta tamin’izany. Nisy ny toromarika nomen’ny filoha Marc Ravalomanana azy ireo mikasika ny fanatsarana ny antoko TIM.

Fa rehefa vita ny fiarahabàna teny Faravohitra dia nitafa tamin’ny birao politika nasiônaly notarihan’ny sekretera jeneralin’ny antoko: Rina Randriamasinoro , tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM tao Bel’Air ireo delegasiona avy any Betsiboka. Nisy ny dinik’asa natao tamin’izany mikasika ny hanaovana ny famelomamaso ny antoko TIM any amin’ny faritra misy azy ireo tsirairay, izay iraisan’ny antoko Tiako i Madagasikara manerana ny Nosy.