Olona ambony ao amin’ny ministeran’ny Fitsarana – Nisy nangataka 10 miliara tamin’i Mbola Rajaonah

Franck Razakambelo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly ny vadin’i Mbola Rajaonah sy ny mpisolovava azy Me Rafidison Erick. Fantatra tamin’izany, fa nisy olona ambony tao amin’ny ministeran’ny Fitsarana, nangataka vola mitentina 10 miliara tamin’i Mbola Rajaonah tamin’ny alalan’ny mpisolovavany dia hilamina ny raharaha. Miharatsy hatrany ny fahasalaman’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ary aretina fahatsentsenan’ny lalan-drà izay efa nitaiza azy hatramin’ny fahazazany io aretina io izay efa nohamafisin’ny Dokoteram-panjakana eny anivon’ny fonja hoy i Me Rafidison Erick, mpisolovava an’i Mbola Tafaray.

Nanohy fanazavana ity Mpisolovava ity, fa efa nangataka fahazoan-dalana amin’ny tompon’andraikitry ny fonja sy ny fitsarana ity farany, mba hapetraka amin’ny toerana mifanaraka amin’ny toe-pahasalamany i Mbola Rajaonah, kanefa mbola misy baiko midina avy any ambony hampidina an’i Mbola Rajaonah ao an-davaka, izay toerana tsy misy rivotra akory, mba hahafaty an’ity farany. Nanamafy ny mpisolovava fa voafonja manana ny zony i Mbola Rajaonah ary tokony hahazo fitsaboana mifanaraka amin’ny toe-pahasalany ary misy ny fanamarihana avy amin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny lehiben’ny fonja mikasika an’izany. Nanohy fanazavana Me Rafidison Erick, fa tokony hafainganina ny raharaham-pitsarana an’i Mbola Rajaonah, satria efa 3 taona no notazonina tao am-ponja ary mbola manana ny “Presomption d’inocence” ity farany, satria mbola tsy misy didim-pitsarana mikasika azy akory. Nanohy fanazavana ity mpisolovava ity, fa natambatra miaraka amin’ireo voafonja nahavita heloka be vava I Mbola Rajaonah kanefa olona mbola tsy vita fitsarana akory ary nanamafy ity mpisolovava ity, fa tsy meloka velively izy.

Nangataka tamin’ny lehiben’ny fampanoavana ambony ao amin’ny “Pole Anticorruption” i Me Erick mba hatsahatra ny fanenjehana azy kanefa tsy afaka mandray fanapahan-kevitra ireto farany, satria misy dian-tanan’ny mpanatanteraka ny fitoriana an’i Mbola Rajaonah. Raha tsiahivina, fitoriana maromaro no niandry an’ity farany eny amin’ny sampana heloka be vava ao amin’ny “Pole Anti-corruption”: ao anatin’izany ny fiampangana famoaham-bola tsy misy antoka, ny fiampangana mikasika fandikan-dalàna eny anivon’ny Ladoany ary mbola nampiana “Dossier” hafa indray izany fitoriana izany, mba ho voasokajy ho heloka bevava ny vesatra ara-pitsarana mahazo an’i Mbola Rajaonah.

Nanao antso avo amin’ny filoham-pirenena sy ireo tompon’andraikitra amin’ny rafi-panjakana rehetra i Sitraka Rajaonah, vadin’i Mbola Tafaray, mba hijery akaiky ny raharaha, satria mavesatra mihoatra ny tsy rariny ny zava-misy ary mangataka amin’ny manam-pahefana, mba hanafainganana ny raharaham-pitsarana ny vadiny sy hanomezana an’i Mbola Rajaonah fitsaboana sahaza azy ho fitsinjovana ny zon’ny voafonja.