Ny filoha Rajoelina mihitsy no ilana tomban’ezaka

Ny Valosoa

Tsy tontosa ny Filankevitry ny minisitra tamin’ny alarobia 9 Martsa 2022 teo satria ny vaovao navoaka, dia hisy ny fanaovana tomban’ezaka ny zava-bitan’ireo minisitra, ka Ingahy Filoha sy Ingahy Praiminisitra no hanao izany tomban’ezaka izany.

Raha tsiahivina ny zava-nitranga tamin’ny herinandro lasa teo dia nisy ny antso nataon’ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara, mba hiray hina ireo solombavambahoaka hametraka fitsipaham-pitokisana hanilihana ny Praiminisitra sy ny governemanta. Vavabe no nasetrin’ireo solombavambahoaka Ird izany, ka anisan’ny nampiaka-peo Ingahy Raholdina sy Ramatoa Filohan’ny Antenimierampirenena, vava ny maty an-drano hono ny an’ny Tim, vitsy an’isa ve hono dia hahavita hanongana, hiray hina hono ny maro an’isa hanohitra ny Tim, sns…

Kinanjo noteren’ny zava-mitranga Ingahy Filoha dia tsy maintsy hiroso amin’ny fanesorana ireo ministra “tsy mahomby”. Tankina tanteraka tsy nandrenesam-peo ary mandositra mpanao gazety ireo solombavambahoaka Ird, satria azo lazaina ho mizotra any amin’ny lalana nosoritan’ireo depiote Tim ny raharaha, na dia tsy voakitika aza Ingahy Praiminisitra. Ny mahatsikaiky amin’ilay tomban’ezaka dia tsy anisan’ny hanaovana tomban’ezaka Ingahy Praiminisitra, fa izy no manao ny tomban’ezaka miaraka amin’Ingahy Filoha.

Ny Kmf Cnoe dia nanambara fa tokony havoaka ho fanta-bahoaka hono ny tomban’ezaka natao amin’ireo minisitra tsirairay, azo lazaina hoe manonofy atoandro ihany ny Kmf Cnoe, satria manantena ny tsy hisy, ny azo antoka aloha f’izay minisitra tsy miverina amin’ny toerany dia nahazo isa ratsy ary izay minisitra mbola mijanona amin’ny toerany dia nahazo isa tsara.

Toy ny fanadinana rehetra io, misy ny ho afaka soa amantsara ary misy ny tsy maintsy hihintsana, fa ny tiana hanaovana fanamarihana dia ireto mpitsara an’ireo mpiadina, raha ny tokony ho izy dia mila tombanana koa ny ezaka vitan’Ingahy Filoha sy Ingahy Praminisitra, satria matoa tsy tontosa ilay fampandrosoana dia ireo lohany mihitsy no matsatso. Ingahy Praminisitra efa taorian’ny hetsik’ireo depiote 73 no efa nahazo toerana, izy no nambara ho Praminisitra tsy mitanila hikarakara ny fifidianana, kanefa dia hita ho mitongilana tany amin’i Rajoelina tamin’ny fifidianana, ary Ingahy Filoha indray dia lazaina fa haingam-pandeha hono rehefa miasa, fa ireo namany no tsy maharaka ny firimorimony, ny tena marina anefa dia ny vavany mitsaontsaona no haingam-pandeha, saingy tsy misy azo raisina izay lazainy satria dia bala rora tsisy fiafarany, kanefa akory atao fa dia izy roalahy no manao ny tomban’ezaka, fa tsy maintsy mbola ho avy ny fanaovan’ny vahoaka tomban’ezaka ny asan’izy roalahy ireo, amin’izay fotoana izay dia tsy maintsy hiafara amin’ny fangoronana entana ny resaka.