Akademia Miaramila Antsirabe – Nipoaka ny vanja, nisy ny maty sy naratra mafy

Ny Valosoa

Nipoaka ny vanja, na explosifs tao amin’ny Akademia Miaramila any Antsirabe faritra Vakinankaratra. Nisy ny maty sy ny naratra mafy vokatr’izany, araka ny vaovao voaray farany.

Nandritra ny fianarana mikasika ny “explosif”, na vanja narahan’ny andiana mpianatra ho manamboninahitra tao amin’ny Akademia miaramila omaly dia nisy ny fipoahana vanja tao amin’ny toeram-pianarana, ka naharatrana sy nahafatesana mpianatra. Mpianatra ho manamboninahitra sy mpampianatra 7 mianadahy no naratra, 2 amin’ireo no nampiseho fahasarotana, ka efa manaraka fitsaboana izy ireo amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao azo farany anefa, 2 no namoy ny ainy tamin’ireo nipoahan’ny vanja ireo, ka ny iray tany Antsirabe no maty, ny iray tonga taty Antananarivo teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana.

Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana ny gazety Ny Valosoa, ary mirary fahasitranana ho an’ireo naratra mafy.