Depiote Fetra Ralambozafimbololona – Tokony hiala ny mpitondra rehefa tsy mahay mitantana

Depiote Fetra Ralambozafimbololona

Rajo

Nahitsy ny solombavambahoakan’i Madagasikara, Fetra Ralambozafimbololona, voafidy tao amin’ny boriboritany fahadimy eto Antananarivo renivohitra, fa tsy mahay mitantana ny mpitondra fanjakana ankehitriny. Tsy vitan’ny manao « scandales » lava, fa na izy samy izy aza dia tsy mifankahazo hevitra sy mifampitsipaka ihany koa. Manginy fotsiny ny tsy fanatrehan’ny sasany ny filankevitry ny minisitra farany teo.

Ankoatr’izany, dia nahitsy ihany koa ny tenany, fa ny tsy fahaiza-manaon’ny mpitondra ankehitriny no tokony hanovana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, satria tsy mahomby amin’ny fitantanana sy tsy mahalala ny tena laharampahamehana ho an’ny vahoaka malagasy. Ny fampiatoana amin’ny asany ny governemanta no vahaolana hoy izy ary mila olona mahay sy mahafehy ny raharaham-pirenena raha te-handroso. Mila mandroso ny vahoaka ary mila olona mahay mitantana sy mahafehy ny firenena, ka vonona amin’izany ny mpanohitra.

Momba ny resaka fifidianana indray dia nambarany fa any amin’ny fifidianana mifampitady dia ho hitan’ny vahoaka izay olona mety aminy, ka aleo halalaka ny fifidianana ary hadio ny lisi-pifidianana, mba tsy hisy hala-bato sy hosoka toy ny teo aloha. Vonona izahay mpanohitra hoy izy hitondra ny anjara birikinay amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Ankoatr’izay dia nitondrany fanazavana ihany koa ireo tsy fahatomombanana amin’ny fizarana vatsy tsinjo, izay vonjy tavanandro ihany satria ireo efa nahazo teo aloha foana no mahazo, lasa bizina ny fizarana vary tsinjo ankehitriny, ka mimenomenona ny vahoaka mahantra sy sahirana eto amintsika ary mitaky fangaraharana tanteraka izy ireo.