HO TRATRA FARANY EO

(Sary gazety Tia Tanindrazana)

Efa samy mailomailo ireo mpandeha anaty sambo,
Fa mandindondindona azy irony loza sy ny antambo.
Ao sahady ireo mihiaka sy miantso hoe “vonjeo”,
Ka mihevera ry boaikely sao ho tratra farany eo.

Nisy ireo izay “niara-niainga” no efa toa nidingin-drambo,
Ka nilaza an-karihary fa tsy maintsy handao ny sambo.
Angamba noho ny adiady izay tsaroany no nankaleo,
Ka mihevera ry boaikely sao ho tratra farany eo.

Dia asa indray raha mbola hisy ireo mpiantsambo vaovao,
Izay hiakatra eny am-pandehanana, toy ‘zay fahita tao ho ao.
Ireny anefa tsy hampitony ny kiakiaka sy toreo,
Ka mihevera ry boaikely sao ho tratra farany eo.

…Angamba tsy fotoana izao, mbola hisehoana ho matin-kambo.
Tsy matoky anao intsony hatramin’ny ao anaty sambo.
Avelao ny familiana, izay no mety ka ekeo.
Mialà ianao ry boaikely sao ho tratra farany eo.

IRINA HO TAFITA (12-03-22)