Antoko MMM – Tsy hiditra amin’ny governemanta vaovao

Isambilo

Nanao fanambarana nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, ny birao politikan’ny antoko MMM: Malagasy Miara-Miainga, tarihan’ny filohany Hajo Andrianainarivelo. Nambarany tamin’izany, fa tapaka tao anivon’ny birao politikan’ny antoko MMM, fa tsy handray anjara ao anatin’ny governemanta manaraka izy ireo, satria tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny fiarahana ary tsapa fa tsy mahafeno ny fepetra notakiana amin’ny fampandrosoana ny raharaha misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Efa manomboka vaky arak’izany ny sambo, ka miala tsikelikely miha-mipatitaka ny IRMAR, na ny IRD,…