CNaPS – 1,3 miliara ariary nifampizaran’ireo mpitantana

Araka ny vaovao efa navoaka teto amin’ny Valosoa dia isan’ireo tranga mamofona kolikoly ny tany izay novidian’ny CNaPS tamin’ny fomba manjavozavo, ary mahatakatra 12,5 miliara ariary.

Ny fanampim-baovao voaray mikasika io tany io dia mirefy 1ha (9700m2) izy io ary mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana no tompony teo aloha. Ary raha atao ny kajy dia mahatratra 1,3 tapitrisa ariary ny vidin’ny m2, izay azo lazaina fa mihoa-pampana.

Tsy vitan’izany ihany fa vola 1,3 miliara ariary no nofampizaran’ireo mpitantanta vitsivitsy, ka samy naharay ny anjarany tao anaty kaontin’ny bankiny.

Maro araka izany ny fitantanana gaboraraka, kolikoly sy fanaovana tantely afa-drakotra ny vola fiahian’ireo mpiasa 700.000 izay tsy mitsahatra mametraka latsak’emboka ao amin’ny CNaPS. Hatreto aloha dia tsy andrenesam-peo ny ministera mpiahy, na ny Asa izany na ny Fitantanambola.

Dia mbola hita taratra indray araka izany ny fitantanana gaboraraka ataon’ity fitondrana Rajoelina ity. Tsy mitsahatra ny mitsotsorika ny firenena, miditra anaty fahantrana lalina amin’ny lafiny maro, na ara-toekarena, na ara-tsosialy, na ara-piarahamonina.

https://www.rfi.fr/fr/afrique/20220312-madagascar-scandale-financier-au-sein-de-la-caisse-nationale-de-pr%C3%A9voyance-sociale