EDITO 12 Martsa – Fiainana andavanandro – Miatrika fahasahiranan-dava ny vehivavy Malagasy

Sôh’son

Vao avy nanamarika ny andron’ny vehivavy maneran-tany isika teto Madagasikara andro vitsivitsy lasa izay. Nisy ny teboka nandrasana, mba ho ambaran’ireo vehivavy efa tsara toerana eto amin’ny firenena manomboka any amin’i Mialy Rajoelina tamin’ny fandraisan’izy ireo fitenenana nandritry ny lanonana ofisialy, fa tsy voaresaka. Iray amin’izany, ny tsy fitoviana ara-pihariana eo amin’ny vehivavy malagasy, izay tena misy elanelana be tokoa amin’izao fotoana izao.

Misy ny tena sahirana mafy, tsy an-drenivohitra ihany fa indrindra any ambanivohitra lavitra any. Maro ny vehivavy malagasy no mijaly anaty fahoriam-pahantrana sy fadiranovana. Tsy hita ho miady fo mafy amin’izany anefa ireo efa tsara toerana sy milamina, indrindra ireo ao anaty fitondrana amin’ny rafi-panjakana samihafa. Ny tsikaritra, dia mijanona ho kabary fe kabary isan-taona ho fampahatsiahivana ny maha zava-dehibe ny anjara toeran’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena fotsiny ihany ny andron’ny 8 Martsa eto amintsika.

Tsy misy fiovana misongadina ny fiainan’ny vehivavy, anatin’ny sarambabem-bahoaka an-drenivohitra sy ambanivohitra lavitr’andriana any tao anaty taona maro izay. Miharitra ny mafy izy ireo indrindra ao anatin’izao fahasahiranana, noho ny fidangan’ny vidim-piainana eto amin’ny firenena izao, izay nanampy trotraka ny fihanaky ny valanaretina sy ny loza voajanahary. Ny karama na ny fiveloman-drangahy vadiny anefa tsy mitombo manoloana izany. Sao dia misy vehivavy nokendrena atao fitaovana fotsiny eto amin’ity firenena ity atao itadiavan-tseza sy tombontsoa manokana?

Mila asa mivaingana avy amin’ny fitondrana ny fampivoarana sy fanohanana azy ireo eo amin’ny fiainany. Miankina amin’izany ny fivoarana sy ny fandrosoan’ny firenena. Tsy vitan’ny asa atao mitsitokotoko kely etsy sy eroa, toy ny fanaon’ny fitondrana tato anatin’ny telo taona anefa izany, fa ny ilaina mahafaoka ny besinimaro. Mila voajery avokoa ny rehetra, fa tsy misy atao tany avo avaratra na ny atao ambany maso tsy hita. Raha mbola tsy miova ny fomba fiasa hatramin’izay anefa, dia ho volan-kankafotra ihany ny momba ny vehivavy malagasy, ary sendra mba nomarihina manetriketrika fotsiny ny andron’ny 8 Martsa, fa vao aorian’izay dia miverina amin’ny toy ny fiainany andavanandro ihany ny fiainan’ny vehivavy malagasy rehetra, ary samy manana sy miaina ny azy indray.