TAHIRY FITSINJOVANA ANJAKAN’NY FAHALOVANA

Volanay mpiasa anie no mihodina ao tsy misy fetra,
Nefa toa ’nareo mpitondra no mitavana, miletra?
Raha vao mba mahazo kely sombintsombim-pahefana,
Dia mangalatra ao daholo, tsy hay fefena, tsy hay rarana?

Tena toy ny fantsakana tsisy mpiambina ny ao,
Ka tsy mitsahatra manovo na “ny tonta” na “ny vao”.
Ny lasa, tsy mitondra tapany, ny vao, tsy mahalala onony.
Tena odianareo tsy fantatra ny hoe “mety” sy “ny antonony”!

’Zahay mpiasa aloha hatreto, mihamahantra, mihabòka,
Nefa indreo ’nareo mpitantana, mihamatavy, voky tsoka.
Nampiasaina any amin’ny tsy izy “ny tahiry fitsinjovana”,
Ka ny mpiasa no mijaly sady mihafadiranovana!

Ireo mba sahisahy miteny dia iharam-pandrahonana,
Ary na ny marina aza dia ezahina takonana.
Saingy miantso anao mpiasa tsy handefitra intsony,
Ka handa “ny tsindritsindry” ataon’ireo mpitondra ambony.

Latsakembokao no ao, ny volanao no mihodina ao,
Ka aza ekena “ny tantely afa-drakotra” toy izao.
Miraisa hina re ry mpiasa, aoka ho tokana ny feo:
“Mialà ’nareo ry deba be mpanodinkodim-bola ireo !”

TSIMIMALO (12-03-22)