Noho ny tsy fahaizan’ny mpitondra – Tsy mitsahatra mitodika aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao

Andry Tsiavalona

Tsy misy “manarapenitra” araka ny teny filamatr’izao fitondrana izao ny toe-draharaha rehetra eto amin’ity Firenena ity, na dia miezaka mampamirapiratra izay ataony amin’ny fomba rehetra aza ny mpanohana azy. Entina anaporofoina izany ny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika fony izy tafaverina avy any amin’ny fivorian’ny Firenena Mikambana ary nihaona tamin’ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena, ka nilazany fa noho ny fahaizany mandresy lahatra dia minitra vitsy izy no nihaona tamin’ity tomponandraikitra ity dia nahazo vola be.

Ho an’ny sarambabembahoaka izay tsy mahafantatra na inona na inona dia tonga dia mihinana am-bolony izany, kanefa izany vola nomen’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI) izany dia ao anatin’ilay antsoina hoe “Droit de Tirages Spéciaux” (DTS), izay zon’ny Firenena Malagasy tanteraka ny misitraka azy. Nilaza ihany koa moa Rajoelina Andry hoe: “efa ao ny vola ary azo ampiasaina avy hatrany”, toy ny milaza izany fa tao anaty valiziny izany. Ny mahavariana dia ireo mpomba azy nanatrika izany fanambarana izany dia nitehaka ary, angamba tena nino fa tao anaty fiaramanidina ny vola be. Ho an’ny mahalala ny pitsompitsony tsy maintsy harahina momba ny famoahana izany vola omena toy izany dia mahamenatra eo imason’ny vahiny izany, ka ny fanontaniana dia nampiesona ve ny filohan’ny Repoblika sa dia tena tsy fahaizana mihitsy.

Tsiahivina ihany koa ilay kajy farany izay tsotra momba ny fanamboarana ny Làlam-pirenena faha-13. Ny minisitry ny Asa Vaventy nilaza fa efatra ambiroapolo volana no hahavitan’ny làlana kanefa hoy ny filohan’ny Repoblika: “vitaina ao anatin’ny valoambinifolo volana ny làlana satria teloambinifolo ampiana enina dia mira valoambinifolo (13 + 6 = 18). Azo inoana fa na dia ny mpianatra mipetraka amin’ny tany fa tsy misy dabilio any amin’ireny sekoly lavitra andriana ireny aza dia tsy handiso io kajy io.

Tamin’ity herinandro ity dia niaraha-nahita sy naheno ny fanambaran’ny minisitry ny Fitaterana momba ny fandraràna ny fitondrana valizy misy kodiarana sy solosaina azo entina mandeha (lap top) ho an’ny mpandeha fiaramanidina. Hialana amin’ny trafikana harena an-kibon’ny tany; indrindra ny volamena, hono ny anton’izany. Ny harivan’iny andro iny dia nanitsy izany ity minisitra ity fa tsy mbola ofisialy, hono, ny fanambarana nataony. Ny manahirana dia tena notebahan’ny namany, ny ministry ny Fizahantany izy, fa tsy nisy izany fanapahan-kevitra izany nandritra ny Filankevitry ny Minisitra farany. Niteraka resabe ity toe-javatra ity, ka efa naminavina ny mpanaraka ny toe-draharaha politika, fa tsy maintsy hisy ny fanesorana minisitra izay nanao hetsika na niteniteny foana. Nisy tokoa ny fanambarana avy eny amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, fa nisaotra ny minisitra ao amin’ny governemanta ny filohan’ny Repoblika noho ny asa nataon’izy ireo. Voasoratra tao amin’ilay fanambarana ihany koa, fa ho esorina ny minisitra vitsivitsy. Nisy fanambarana hafa indray anefa nasolo io fanambarana voalohany io ka nesorina tao ny hoe “ho hesorina ny minisitra vitsivitsy”.

Tena tsy mitsahatra mitodika aty Madagasikara mihitsy izao tontolo izao noho ny zava-mitranga eto. Tsy noho ny fitenitenenana tsy voahevitra toy ireo notanisaina eo ambony ireo ihany, fa noho ny fitantanana ara-bola tsy misy mangarahahara mihitsy, ka nitakian’ny mpiara-miombon’antoka (PTF) ny tatitra momba nampiasan’ny fitondrana ny vola fanampiana nomena ny vahoaka Malagasy noho ny covid-19. Tsy ny any ivelany ihany no mitaky izany fitantanana tsy mazava izany, fa hatramin’ny Fitsarana ny Kaonty (Cour des Comptes) eto an-toerana ihany koa. Ny fanontaniana mipetraka dia tsy mba mahatsiaro tena ho manalabaraka ny Firenena ve ireny manampahefana manaotao foana ireny, ka hametra-pialàna ary raha mahatsiaro tena ho tsy voafatotry ny fifanarahana maloto mamotika ny Firenena ny mpitondra ambony indrindra dia ho sahy hanilika izay lo, ka manamaimbo ny fitondrana.