FILMA VETA – FILMA GIDRAGIDRA

Isan-kerinandro izao dia misy filma mivoaka,
Ka dia zendana mihitsy sady gaga ny vahoaka.
Ireo mpandray anjara fototra dia ny ngeza eto an-tanàna.
Tsy mba olona tsotsotra fa ny manam-pahefana!

Ny nalaza tamin’ireny raha ny lasa no tsiahivina,
Dia ilay filma ankiray izay tena nampihivingivina.
Ilay nosokajiana ho “veta” ka nalaza vetivety,
Sady iretsy mpilalao dia tena olona vedety!

Dia nandimby indray avy eo ny filma mampiala voly,
Nahenoana horonam-peo mikasika ny kolikoly.
Voasaringotra tanteraka ny iray tanaty fitondrana,
Ka dia re fa noterena mba hametra-pialana.

Dia nipoitra indray avy eo ny filma somary lava,
Ary ny mpandray anjara dia niova ho “solombava”,
Ka mpampianatra ankiray izay tena mba nanao ny adidiny,
No indro fa dia notebahina sady tsy nasiana vidiny!

Vao nivoaka omaly koa ilay filma be gidragidra,
Hahitana fa ny fery efa nivadika ho dridra.
Tena tsy honohono intsony na koa hoe tantara angano,
Fa ny ngeza anankiroa no indreo fa efa miady an-trano!

Ny nampisy fifandirana dia toa resaka valizy,
Ka dia gaga ny rehetra, hatramin’ny zaza sy ny ankizy.
Ny kodiarana no olana, hoe ekena sa tsy ekena?
(Resaka mirefarefa tena mampanongo tena!)

Tena tsy hanam-piafarana raha izao zava-misy izao,
Fa dia ho isan-kerinandro no hisy filma vaovao.
Angamba tsisy toy ity fa ela ihany no nanaovana.
Fitondrana fanjakana, lasa kianja filalaovana!

IRINA HO TAFITA (10-03-22)