IZA ILAY HANAO NY TOMBANA ?

Tsara hatao ny tomban’ezaka handrefesana ny vita,
Saingy hatreto, miharihary sady iarahana mahita,
F’izy ilay hanao ny tombana, izy ilay tsy misy hapoaka,
Ka dia efa tena leo sy tofoka azy ireo vahoaka!

Tsy ao aminy mihitsy ilay mba marika sy toetra
Maha “mpitarika modely sy ankatoavin’ny rehetra”!
Fa dia toy ny zaza foana no miseho mba hojerena,
Ka milentika hatrany, potika ny firenena!

Ny hampiray ny Malagasy, tena zavatra tsy hainy.
Ny ho azy sy ny ekipa, izay no masaka ao an-tsainy.
Ny mampiditra any am-ponja ireo mitondra fanakianana,
Ary ny mamotika azy, izay no ataony ho fiadanana!

Tsara hatao ny tomban’ezaka mba handraisana fepetra,
Saingy ilay mpanao ny tombana no efa lavin’ny rehetra,
F’izy ilay mpitaribato vilam-bava, tia letrezana,
Mpampanaraka omby vositra ka dia efa ihomehezana!

Izy ilay mamboly vary ka roa taona aty afara
Vao mijinja ny nafafy iretsy zanaka amam-para!
Ny mandainga sy mamitaka, izay no tena kilalaony,
Ka tsy hisy zava-banona raha izay tombana hataony!

Inoana fa “ry veta” hatrany no tsy maintsy ampandihiziny,
Sy “ry mason-tsikilaonina” f’ireo no iraka ankafiziny!
K’aza dia mba manantena, (raha tsy hoe ianao sanàna),
Fa ny feon’ny “taontaonkafa” dia tsy manam-piovana !

DADAN’i ZINA (11-03-22)