VALIZY TSY MISY KODIARANA ?

Rehefa valizy no tsisy kodiarana,
Ho foana avy hatrany ny afera malaza?
Sa tena ianareo ry nahita fianarana
No efa mivaona, manao hevi-jaza?

Rehefa valizy no tsisy kodiarana,
Fa entin-tanana na am-babena,
Dia marika iray tena ahafantarana
Fa tsy ao anatiny ny volamena?

F’angaha efa voavinavina sady
Ho tsy maintsy an-kilao maromaro no hivoaka,
Sa ‘zay no fanaon-dry zalahy kamarady,
Dia mody ampiesonina indray ny vahoaka?

Rehefa valizy no tsisy kodiarana,
Dia hanantena amin’izay ny rehetra,
Fa tsy hisy intsony ary tena hifarana
Izany ireo bizina tena voretra?

Valizy tsy misy kodiarana indray
Izany izao ilay “vahaolana mahatsikaiky”?
Dia “miandry fa gasy” ary re izahay
F’ianareo moa mpitondra efa tena mampiaiky!

TSIMIMALO (09-03-22)