EDITO 10 Martsa – Fitondrana vakiraoka ny fitondrana Rajoelina

Ny Valosoa
Izay rehetra nandia ny dabilion-tsekoly dia samy mahalala ny atao hoe vakiraoka, “brouillon” ny dikany amin’ny teny frantsay, inoana fa io dikany amin’ny teny vazaha io no manamora ny fahazoana ny heviny.

Fony mbola nianatra, rehefa mampanao fampiasana ny mpampianatra dia manafatra foana hoe, aza maika manoratra ao anaty kahie, fa ataovy matotra tsara aloha ny any anaty vakiraoka, izay vao adika ao anaty kahie, mazava izany fa ny andrakandrana rehetra dia any anaty vakiraoka, mikorontana sy maloto ny vakiraoka, matetika raha mpianatra tsy mahay dia fanina tanteraka, tsy mahavita mandamina sy mamoaka izay noketrehina tao amin’ilay vakiraoka.

Dia toy izany ny fomba fiasan’ny fitondrana tarihin-dRajoelina, mikorontan-dava toy ny vakiraoka, ka ny tena loza amin’ilay fomba fiasa, tsy misy ny andrana na fitsapana any anaty vakiraoka, fa tonga dia miseho ho efa mahay, manoratra avy hatrany any anaty kahie, dia mazava ho azy, fa miraraka ny hadisoana, dia voatery tsy maintsy mampiasa gaoma, ny niafarany dia rovitra hatramin’ny kahie.

Maro ireo tranga izay mampiseho ny fomba fitantanana vakiraoka, vao tsy ela akory izay ny resaka valizy misy kodiarana tsy azo ampiasaina sy ny ordinatera tsy azo entana eny ambony fiaramanidina, izay hita mibaribary fa mbola hevitra vakiraoka dia efa idedahana avoaka amin’ny fampahalalambaovao, tsy io ihany fa maro tsy tambo isaina, mba tsy ilazana hoe izay rehetra ataon’ity fitondrana ity dia toy ny vakiraoka avokoa, ka tsy mahagaga raha mitsimpona aotra lava amin’ny isa omen’ny mpamatsy vola ary amin’ny fifidianana ho avy eo dia tsy isalasalana fa zara raha hitoko amin’ny isa omen’ny vahoaka azy ny fitondrana Rajoelina.