Cnaps eny Ampatsakana – Ataon’ny mpitondra fatsakana vola

Ny Valosoa

Nahazo sehatra teo amin’ny fampahalalambaovao ny resaka Cnaps tao anatin’ny andro vitsivitsy.

FA INONA NY CNAPS?

Caisse Nationale pour la Prevoyance Sociale no fanalavana azy amin’ny teny frantsay, izay azo adika malalaka hoe : kitapombolampirenena natao ho amin’ny fiahiana ara-tsosialy.

Ny latsakemboka 1% aloan’ny mpiasa tsirairay sy ny 13% aloan’ny mpampiasa no mameno ny kitampombolan’ny “CNaPS”, isambolana ny latsakemboka, fa ny fomba fandoavana azy dia atambatra isaky ny telovolana.

VOLABE NO MIHODINA AO AMIN’NY CNAPS

Ireo mpiasa sy mpampiasa amin’ny orinasa tsy miankina rehetra dia tsy maintsy mandoa latsakemboka any amin’ny “Cnaps”, mazava ny tarehimarika fa volabe no mihodina ao anatin’ity orinasa natao iahiana ny mpiasa sy ny fianakaviany ity, kanefa izany tokoa ve no miseho?

TSY MITSINJO NY MPANDOA LATSAKEMBOKA NY CNAPS

Nandritran’ny fotoana nisian’ny fihibohana vokatry ny aretina koronaviriosy, dia tsy mba nisy ny fitsinjovana ireo orinasa tsy afa-nihodina ara-dalàna fa ny fantatry ny “Cnaps” dia ny tsy maintsy mandoa latsakemboka ihany, nofitahina ireo mpiasa ka nolazaina hoe afaka mampindrana vola tsy misy zanabola hono ny “Cnaps”, izay fita-bitro tsotra izao satria, ny fisondrotry ny vidimpiaianana dia efa zanabola tsy azo amaivanina, fa raha tena mitsinjo marina ny mpiasa sy ny orinasa malagasy ny “Cnaps” dia tokony nekeny ny tsy tokony ho nandoavana ny latsakemboka na dia fampihenana ny vola aloa ho telo volana fotsiny ao anatin’ny herintaona aza.

FA INONA NO NITRANGA TAO AMIN’NY CNAPS?

Nisy ny famoaham-baovao nataon’i Fanirisoa Ernaivo, avy amin’ny “Rmdm Diaspora”, izay efa filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara, sady filohan’ny “SSM” na “Solidarite Syndicale de Madagasikara”, io no rafitra ivondronan’ireo sendika maro eto amin’ny firenena.

Ilay famoahambaovao naparitak’i Fanirisoa Erhynaivo dia miendrika ampamoaka manatsikafona ny fanaovana tantely afadrakotra ny volan’ny “Cnaps”, ny vokatr’izay ampamoaka izay dia nisy ireo mpiasa natao fanadihadiana mikasika ny loharanombaovao izay nampisahotaka ireo mpitantana ao amin’ny “Cnaps” sy ireo mpitondra mpiaramisaosy ao, ny “SSM” kosa dia naneho firaisankina tamin’ireo mpiasa natao famotorana ary nitaky ny hamotsorana azy ireo tsy misy hatak’andro sy hanaovana ny fanadihadiana mikasika ny fahamarianana na tsia izay nambaran’i Fanirisoa Erhynaivo.

NAVOTSOTRA IREO MPIASA SIVY

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitsara mpanao famotorana dia nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ireo mpiasan’ny “Cnaps” miisa 9, ka amin’ny Alatsinainy 21 Marsa 2022 no hiakatra fitsarana ny raharaha.

Mitovy tsy misy valaka amin’ny raharaha “Ravo Nambinina” ity raharaha “Cnaps” satria tsy ilay vola voahodinkodina no manahirana ny fitondrana, fa ny hanafay izay namoaka ny vaovao, azo eritreretina izany fa dia omena fahafahana noho ny fisalasalana ireo mpiasa, satria sarotra ihany koa ny hanameloka izay tsy nanota, ary mety ho afamaina ireo mpanao tantely afa-drakotra.

Soa fa nisy ny “SSM” vonona mandrakariva hiady hanohitra ny tsy rariny sy ny fandrobana ny harempirenena, amin’ireo mpitantana sasany ao amin’ny “Cnaps” sy ny mpitondra miahy ny orinasa dia mazava ny masaka ao antsain’ny ampahany amin’izy ireo, ny orinasa “Cnaps” izay manana ny foibentoerany eny Ampatsakana dia noheverin’ireo tsy matahotody sasantsasany ho toy ny dobo fatsakana vola, hanaovana izay danin’ny kibony fa tsy natao iahiana ireo mpandoa latsakemboka.