8 martsa tany Morondava – Nasehon’ireo vehivavy fa leo volomboasary izy ireo

Rajepa

Niavaka tsy toy ny isan-taona ny fankalazana ny 8 Martsa, ho an’ny renivohitry ny faritra Menabe, satria dia tsy nandaitra intsony ny teritery fanaovana ny loko volomboasary, fa samy nanao izay loko tiany ireo fikambanana sy sampan-draharaha ary saika hita nisongadina mihintsy aza ny loko mena, ohatra amin’izany ny vehivavy avy ao amin’ny fiadidiana ny faritra Menabe dia nisafidy ny loko mena, ireo antoko sy fikambanana manohana ny fitondrana dia tsy sahy niseho masoandro mihintsy tamin’ity indray mitoraka ity, raha nijoro sy navitrika kosa ny Vehivavy TIM teto Morondava ary nandray anjara tamin’ny hetsika rehetra izay nentina nankalaza ity 8 Martsa 2022 ity.

Nanontany tena ny rehetra raha saika hijery volomboasary midorehitra, ary samy nilaza hoe efa tsy misy manohana fitondrana afa-tsy ny solombavambahoaka ve sisa ato Morondava? sa kosa leo didy jadona ireo vehivavy?

Tao moa ireo nilaza fa maro loatra ny fampanantenana poakaty nataon’ny TGV sy ny forongony dia leo ny vehivavy. Izao hetsika izao dia efa valin-kafatra ampahibemaso, ka tokony hahatonga saina izay mbola afaka mandinika hatreto. Marina fa tena mahatsiaro voafitaka ny mponin’i Morondava raha ny zava-misy no jerena, satria tsy misy fampandrosoana na asa mandeha araky ny tokony ho izy ato amin’ny renivohitry ny faitra Menabe, fa variana amin’ny kiantranoantrano, sy kinamanamana. Amboarina goudron ny lalana ao amin’ny fokontany Andakabe satria mankany amin’ny tranon’ny minisitra Tinoka, efa ela moa no vita io lalana io fa saingy mbola tsy voaloa ny volan’ny entrepise nanao azy dia nampiasaina tsy notokanana.

Fa hiverenana ny fankalazana ny 8 Martsa, tsy hay na noho ny tsy fahitan’ny assistant ny député Tsiliva loko volomboasary, na noho ny kinamanamana ihany, fa tsy nomen’ny assistant nampiasaina mihintsy ny sônô-any tamin’ny filaharambe izay efa maherin’ny 3 km ny halavany. Nataony tany amin’ny faran’ny filaharana ny fikambanan’ny vadin’ny député Tsiliva dia ireo ihany no nisitraka ny sônô raha nangataka moa ramatoa filohan’ny 8 Martsa eto Morondava dia nilaza Andriamatoa assistant, fa ny ekipany ihany no hampiasana io. Farany, nizotra ampilaminana tsy nisy sônô ny carnaval, ka tao ireo nampiasa radio carte tao ireo nihira ny miara-mizotra.

Teo amin’ny kabary nifandimbiasana dia tsy nahita merci président sy kabary politika, fa saingy notsindrian-dRamatoa filohan’ny 8 martsa Morondava kosa, fa mbola tsy voahaja ny miralenta amin’ity fitondrana ity. Tsy nisy antoko politika hita nijoro tamin’ity 8 Martsa 2022 ity afa-tsy ny vehivavy TIM sy ny vehivavy MMM raha ny teto Morondava.

Voatery tsy maintsy nanapaka fifamoivoizana foana hatramin’ny nanaovana ny kianjaben’i Morondava ho kianja manara-penitra isaky ny misy hetsika toy izao, satria tsy mety vita ity kianja ity hatramin’izao.