Vehivavy TIM Analamanga sy Atsinanana – Nifanakalo traikefa ho fampiroboroboana ny Vehivavy TIM eran’i Madagasikara

Ny Valosoa

Fotoandehibe ho an’ny vehivavy ny 8 martsa noho ny maha andron’ny vehivavy azy ao anatin’ny taona iray. Manoloana izany indrindra dia nanapakevitra ny vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM) Analamanga araka ny fanambaràna nataon’ny filoha vonjimaika mitarika azy Rahelisoa Arphine, fa hisy solonten’izy ireo hiatrika ny fankalazàna ny 8 martsa any Toamasina. Izany no natao hoy izy dia ahafahana mifanakalo traikefa amin’ny fampiroboroboana ny vehivavy TIM manerana ny Nosy, satria ny vehivavy no maro an’isa eto amin’ny firenena ary mahatsapa ny fahasahiranana mianjady ao antokantrano.

Amin’ny maha 8 martsa azy dia nisy ny fandraisan’anjara tamin’ny filaharambe nataon’ny andriambavilanitra rehetra sy fikambanana maro misehatra eo amin’ny politika sy fikambanana maro teny amin’ny araben’ny fahaleovantenan’i Toamasina. Nisongadina tamin’izany ny Vehivavy TIM, izay nahaliana ny olona nijery ny filaharana nataon’ireto farany. Hafaliana tsy omby tratra no nandraisan’ny olona azy ireo izay nahitàna taratra fa miandrandra ny antoko Tiako i Madagasikara ny vahoaka Malagasy tototry ny fahantrana ankehitriny. Rehefa vita izany dia niaraka nitodidoha namonjy ny foiben-toeran’ny antoko TIM tao Ambodisoanambo ireto andriambavilanitra ireto. Nisy ny dinidinika fampiroboroboana ny antoko amin’ny ankapobeany tao anatin’izany, ka ny filoha lefitra nasionaly ny antoko TIM misahana an’i Toamasina, ny senatera teo aloha Jacky Randriantsalama, no nitarika ny fotoana. Teo ihany koa ny filohan’ny DISTIM Andriamatoa Naina Andrianiarifera sy ny coach Atsinanana Ramatoa Blandine Voizy, nandray ireo vehivavy marobe any Toamasina sy Analamanga.

Nanambara avy hatrany ny filoha lefitra nasionaly Randriantsalama Jacky, fa miomana amin’ny fifidianana ho avy isika. Mitaona anareo vehivavy aho hoy izy satria ianareo no maro an’isa, mivonona fa maro ny adidy miandry antsika amin’ny fampiroboroboana ny antoko. Isika tsy eo amin’ny fitondràna izao fa miomana isika haka ny fitondràna amin’ny alalan’ny fifidianana madio; ka eo no hilaina ny fandraisan’andraikitra eo amintsika. Ny filohan’ny Distim Toamasina Naina Andrianarifera indray dia nisaotra ny fahavononan’ny vehivavy TIM Toamasina sy Analamanga amin’ny fientanampo asehonareo amin’ny antokontsika. Hisaorana manokana ianareo Analamanga hoy izy tonga aty aminay izay tsara alain-tahaka, satria ny fifampiresahana eo aminareo dia tena ilaina ahafahana manatsara ny fomba fiasa.

Ny mpitantana ny vehivavy TIM Toamasina Blandine Voizy, raha nandray fitenena dia nilaza fa faly izahay vehivavy TIM aty Toamasina hoy izy satria samy nahazo lesona isika amin’izao fifanakalozana traikefa izao. Isika vehivavy hoy izy no tena mahatsapa ny fahasahiranana mahazo ny firenena ankehitriny, ka tsy hipetra-potsiny isika manoloana izany. Ny filohan’ny Vehivavy TIM Analamanga vonjimaika Rahelisoa Arphine, raha nandray fitenenana dia nisaotra ny mpampiantrano tao Toamasina, fa afapo tamin’ny fandraisana rehetra. Ilaina ny fifanakalozana traikefa hoy izy, satria mila fiovàna ny fanaovana politika ankehitriny . Tsy miandry tolorana lava amin’ny fandraisana andraikitra, fa ny fandraisan’anjaran’ny rehetra no zavadehibe . Tsy miandry ny antoko isika hoy izy satria isika tsy eo amin’ny fitondràna, ka maro ny sampanana tsy maintsy jerena. Isika vehivavy TIM no hanome ohatra tsara amin’izany. Amin’ny maha andron’ny vehivavy ny 8 martsa azy moa dia nofaranana tamin’ny fiarahana nisakafo niraisan’ny roa tonta, sy fiarahana nandihy sy nitotorebika ny fotoana, ka ny masoandro maty no nampalahelo.