Birao politika sy ny TIM Toamasina – Niara-nidinika amin’ny fiomanana haka fahefana indray

Stefa

Niara-nikaondoha tetsy Bel’Air Ampandrana ny faran’ny herinandro teo ny avy amin’ny antoko TIM Toamasina, sy ny birao politika nasiônalin’ny antoko, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasiônaly Jean Claude Rakotonirina.

Nambaran’ny sekretera nasiônalin’ny antoko Rina Randriamasinoro fa:” faly tokoa ny tena raha nitafa sy nidinika niaraka tamin’ireo mpikambana ato anatin’ny antoko TIM avy any Toamasina. Tsy nataon’izy ireo ho sakana raha ny halaviran’ny toerana, noho ny tombontsoa iombonana. Nisy moa ny fifampiarahabana nahatratry ny taona tao anatin’izany sy ny fizaram-baovao isankarazany fa teo ihany koa ny fanomezana toro-marika, ho fanatsarana ny antoko, indrindra ny dinika mahakasika ny paikady hoentina miomana amin’ny fifidianana ho avy”.

Nivoitra tamin’ny fihaonana, fa vonona ho amin’ny fakana fahefana indray ny antoko TIM Toamasina miaraka amin’ny birao nasiônalin’ny antoko.