Raha mbola te hirotsaka – Tsy maintsy hametra-pialana Rajoelina afaka 18 volana

Andry Tsiavalona

Herintaona sy tapany na 18 volana sisa dia tsy maintsy hametra-pialàna ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, raha mbola mihevitra ny hirotsaka kandidà ho Filohan’ny Repoblikan’i Madagsiakara indray. Raha atao anefa ny tomban’ezaka eo amin’ny zava-bitan’ny fitondrana ankehitriny eo amin’ny sehatra rehetra dia tsy misy zavatra mivaingana azo tsapain-tànana satria mandroso mihemotra toy ny diam-poza izay atao rehetra. Tsara foana ny mampahatsiahy izay fampanantenana nataon-dRajoelina Andry fony izy kandidà tamin’ny fifidianana ny taona 2018, na taorian’ny namoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny didy tsy azo ivalozana fa izy no lany mba tsy hijabaka indray ny mpifidy amin’ny taona 2023. Zavatra nirentirenty nanaitra maso sy fihetseham-po no hita teny amin’ireo takelaka dokam-barotra sy ny “écrants géants” ary ny fiarakodia misy fandefasana “video”.

Ankoatr’ireny ny kabary mampatory mitsangana sy ny fizarana “tee- shirt”, na kasikety, sns,… Azo inoana mantsy fa mbola toy izay ihany no hitranga, efa manomboka sahady moa izany amin’izao fotoana izao. Nampanantenaina ny any amin’ny Faritra Avaratry ny Nosy fa hatsangana ny “Tranoben’ny Lavanila” ary hampiakarina avo telo heny ny vidin’ity vokatra fanondrana ity. Tsy fantatry ny vahoaka marina fa tsy afaka mametra ny vidin’ny lavanila izy satria ny eo amin’ny sehatra ny varotra iraisam-pirenena no manana fahefana amin’izany. Izay ny tany Avaratra fa teto afovoantany, Faritra Vakinankaratra, dia nampanantenaina ny tantsaha fa hisy hividy ny vokatra legioma ary hanangana ozinina hanodina sy hanao am-by fotsy ary hanondrana any ivelany izany Rajoelina Andry. Hiteraka asa maro ho an’ny tanora koa izany. Ny hany vitany dia ny nizara kara-tany iray hektara sy masomboly ary trano fonenana ho an’ny tanora zato mahery tao Antsoatany.

Ampahafirin’ny tanora ao amin’ny Faritra Vakinankaratra izany tanora zato mahery kely izany ary ny vokatra efa misy any an-toerana aza tsy hita izay hanaovana azy, ka tsy nitondra fampandrosoana na ho an’iza na ho an’iza izany. Nokasain-dRajoelina Andry nototofana ny tanimbarin’ny mponina eny Ambohitrimanjaka ary neveriny nafindra monina tany Bevoay kanefa mirazotra tamin’izany ny saika nanomezana ny tanimbary enina alina hektara ho an’ny Arabo. Raha tanteraka ireo tetikasa tsy voasaina ireo dia azo ninoana fa nifanjevo tamin’ny ady tany ny mpiavy, ny avy eny Ambohitrimanjaka sy ny Arabo, sy ny tompon-tany.

Teto an-drenivohitra dia notohizany ny fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana izay nokasaina novaina ho “Rovan’i Madagasikara” ny anarany ary nararaotina natsangana antsokosoko tao anatin’ny fotoana fohy ny “Colisée”. Niteraka fanoherana mivaivay ireo teo-javatra mifanohitra amin’ny kolontsaina sy ny ny soatoavina nataon’ny fitondrana ireo. Satria tsy manam-bola entina mitsidika izany Miami sy Paris izany ny ankamaroan’ny Malagasy dia nampanantenain-dRajoelina Andry fa hatao mitovy amin’itsy voalohany ny tanànan’i Toamasina ary amin’ny faharoa ny tanànan’Ambatondrazaka. Amin’izao fotoana izao dia ravàna ny tranon’olona any amin’ny toerana hanorenana ny Miami ao Toamasina ary miteraka fitarainan’ireo mponina iharan’izany ataon’ny mpitondra izany.

Ny ao Ambatondrazaka indray dia mbola manainga zipo ny vehivavy rehefa mandeha eo amin’ilay toerana nampanantenainy fa hanarapenitra ny fotodrafitrasa nampanantenainy fa haorina eo amin’izany toerana izany. Tany Toliara dia nampanantena “piscine olympique’ sy kianja baolina kitra manarapenitra izy kanefa amin’izao fotoana izao dia ny Kianja Maître Kira sy ny “piscine” teo aloha tsy azo ampiasaina intsony no mbola ao. Raha miresaka ny any Atsimon’ny Nosy dia tsy aza adino ny “puces” sy ny “drone” ary ny angindimby miisa folo entina miady amin’ny asan-dahalo.

Mitohy ny fampanantenana ataon’izao fitondrana izao kanefa ny teo aloha aza tsy mbola nisy vita na najanona mihitsy, ka tsy misy azo antenaina intsony ato anatin’ny herintaona sy tapany na dia mirehareha fa mahavita manavao (rehabilitation) trano roa ao anatin’ny roa andro aza amin’izao fotoana izao. Tsy ny mpitondra irery anefa no nahavita izany fa mbola niantso “tànamaro” tamin’ny nanatontosana azy.