Antoko TIM Toamasina – Ny senatera teo aloha R. Jacky no filoha lefitra

Niaina

Ny senateran’i Madagasikara teo aloha Randriantsalama Jacky, na Jacky Manambola, no notendrena hitarika ny antoko TIM amin’ny Faritanin’i Toamasina teo aloha. Tsy mora ny andraikitra miandry azy satria, ny fanomanana ny fifidianana ho avy no anisan’ny miandry azy sy ireo ekipa rehetra miaraka aminy, any amin’ny faritra Atsinanana, Analanjirofo ary Alaotra Mangoro. Tamin’ny fihaonana teo amin’ireo solontenan’ny antoko TIM avy any Toamasina sy ny filoha Marc Ravalomanana, nifampiarahaba tratry ny taona ny zoma teo, no nampahafantarana izany fanendrena izany. Nanambara ny filoha lefitry ny antoko TIM amin’ny Faritanin’i Toamasina, Jacky Manambola fa tsy an-draraka ilo mby an-doha amin’ny fampiroboroboana ny antoko najoron’i Dada, ary amin’ny hakana fahefana indray.