Depiote Todisoa Andriamapandry – Tsy hitady seza ny TIM fa mitady fanovana

Depiote Todisoa Andriamapandry

Rajo

Nahitsy ny solombavambahoaka Tiako i Madagasikara (TIM), Todisoa Andriamapandry raha namely ny tenin’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina sy Fetra Rakotondrasoa momba ny fitsipaham-pitokisana hataon’izy ireo. Nanamafy mantsy ireto solombavambahoaka mpomba ny fitondrana ireto fa tsy tokony hisy izany ary resaka rediredy fotsiny hoy izy ireo na hifidy hatrany amin’ny tongotra aza.

Tsy mitady seza izahay fa milaza ny tsy fahombiazan’ny mpitondra ankehitriny, zahay solombavambahoaka nefa dia nofidiana ka tsy maintsy mitondra ny hevitry ny vahoaka malagasy hoy izy. Tokony hiaiky ny fanjakana fa tsy mahavaha olana ka mila fanovana olona mahay mitantana sy mahay ary mahafehy ny firenena. Any amin’ny fifidianana mifampitady hoy ity solombavambahoaka ity fa ny maha-maika aloha hatreto dia ny famahana ny olan’ny vahoaka malagasy ankehitriny na sosialy, na tsy fandriampahalemana, ary manginy fotsiny ny adilahy pôlitika eo amin’ny samy mpanao pôlitika.

Efa aty aminay ny vahoaka malagasy ankehitriny hoy ity solombavambahoaka ity ka tokony ho mailo ny mpitondra satria leo ny fitaka sy ny kobaka ambavan’ny mpitondra ankehitriny, ka fitsipaham-pitokisana no ataonay solombavambahoaka satria mila fampandrosoana ny vahoaka malagasy ka tokony hiova ny governemanta.