Belo Tsiribihina – Dahalo miisa 70 nanafika tanàna, olona 3 voatifitra

Niaina

Mirongatra ny asan-dahalo amin’izao fotoana any Belo Tsiribihina faritra Menabe. Dahalo 70 no nanafika tanàna tany an-toerana, olona 3 no voatifitra tamin’izany. Tany Behamotsy Belo Tsiribihina no nitrangan’ny fanafihana: olona 01 Maty (fokonolona); olona 03 voatifitra, iray amin’io Miaramila. Omby 320 isa lasan’ireo DAHALO maherin’ny 70 isa ireo.

Misy miaramila 05 no mpiandry ao an-tanàna fa 02 no afaka nifanehitra tamin’ny dahalo nandritra ny fanafihana, noho ny 03 lahy nanana anton-dia tany Belo Tsiribihina renivohitra. An-dalana hanao renfort any an-toerana ny Zandarimaria amin’izao fotoana.

Noho izao tranga izao, kely sisa dia ho azony ilay amboara amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’iny faritra iny. Tsy mitsahatra ny fanafihana sy vono olona ao Belo Tsiribihina, efa ho iray volana izao, isan-kerinandro misy vono olona sy fanafihana hatrany.

Hatramin’ny oviana ny fitazanam-potsiny ataon’izay tomponandraikitra tandrify azy io? Misy mahazo tombontsoa tokoa amin’ny herisetra sy horohoro mianjady amin’ny mpiara-belona hafa ve? Tsy ho tanteraka izay fandrosoana tononina isan’andro eo raha tsy mandry fahalemana ny tambanivohitra tantsaha mpamokatra.