Birao politika sy Ben’ny tanàna TIM – Niara-nikaondoha ho fanatsaràna ny fiainan’ny antoko

Helisoa

Mba ho fanatsarana ny fomba fiasan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) dia nifamotoana tetsy Alasora tao amin’ny Espace Ri la Tsiou ny birao politika nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara, notarihin’ny sekretera jeneralin’ny antoko, Rina Randriamasinoro sy ny ben’ny Tanàna voafidy teto Analamanga.

Isan’ny lahadinika natao tamin’izany ny mikasika ny resaka fifidianana amin’ny taona ho avy io. Marihina fa ity fihaonana ity dia tohin’ny resaka nandehanan’ny birao politika teny amin’ny CENI. Ilaina ny fikaonandoham-pirenena hanatsaràna ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny resaka CENI.

Tsy tongatonga ho azy ny fihaonan’ny ben’ny Tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara sy ny birao politika, satria miainga amin’izy ireo ny fototry ny antoko TIM. Manamafy ny fototry ny antoko hatrany ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity ary io hetsika natao io, dia ao anatin’ny fanabeazamboho sy fameloma-maso ny antoko ihany koa.