Pr Narison Stephan – Tsy mandroso, vao mainka mihemotra ny firenena

Isambilo

Naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena, sy ny tontolon’ny fanabeazana amin’ny ankapobeny, tamin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao, Pr Narison Stephan, manam-pahaizana manokana momba ny Fizika Nokleary ary filohan’ny fikambanana AGMM: Association Gasy Miara-Mandroso ihany koa:

I Pr Narison Stephan dia zanaka mpampianatra, tany Ambatomanoina, distrikan’Anjozorobe, tanàna azo lazaina ho nitoka-monina tamin’izany fotoana, no nahabe azy. Tany izy no nandranto ny fampianarana ambaratonga voalohany sy faha-2. Avy eo, afaka fifaninanana tamin’ny fidirana tamin’ny Lycee, tao amin’ny Lycee Gallieni teny Andohalo izy. Mpampianatra mpikaroka teto Madagasikara izy, sy indrindra indrindra tany ivelany, tany amin’ny foibe fikarohana momba ny sehatra nokleary tany CERN any Suisse, mpikaroka tany Montpellier Frantsa sy ny maro hafa ihany koa,… teo amin’izay sehatry ny Fizika momba ny ôvana, na nokleary izay.

Mahakasika ny fanabeazana, nambarany fa tsy mandroso i Madagasikara izao, raha oharina tamin’ny taloha. Tamin’ireo kaonferansa samihafa natao teto hoy izy, mihena ny fari-pahaizan’ny mpianatra amin’izao fotoana, oharina amin’ny taloha. Ny anton’izany araka ny nambarany dia noho ny fahabangana eo amin’ny fifaneraseran’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, variana mitady vola ny ray aman-dreny ankehitriny, ka tsy afaka manara-maso ny fianaran’ny zanany. Ny mpampianatra ankehitriny koa, tsy misy faharisihana eo amin’izy ireo, satria ambany ny karamany miohatra amin’ny sehatra hafa, toy ny an’ny mpitandro filamianana ohatra. Tsy misy ihany koa ny fanofanana pedagôjika ireo mpampianatra. Lasa tsy môdely eo amin’ny mpianatra ny mpampianatra noho ireo olana ireo.

Tsy misy ny sehatra famoronana

Mahakasika ny fahavitsian’ny mpianatra manaraka ny resaka siansa, miohatra amin’ny reasaka varotra sy fitantanana. Diso koa izay fiheverana sy zava-misy izay hoy Pr Narison Stephan. Raha firenena no be mpivarotra hoy ihany ity mpampianatra mpikaroka ity dia tsy mandroso ny firenena, tsy misy ny sehatra famoronana na creation, indrindra ny vita Malagasy. Ankoatra izany, olana eo amin’ny sehatry ny siansa sy ny fikarohana, tsy manampy ireo mpianatra sy tanora manana tetikasa na projet ny fanjakana. Ohatra, nisy mpikaroka nahavita solika vita tamin’ny fako nefa tsy nisy ny fanampiana azy hatramin’izao. Tany Antsiranana, nisy tanora mpianatra nahavita rianaratra avy amin’ny ranomasina, tsy nisy nanampy ihany koa hatreto.

Mahakasika ny fampiharana ny famokarana ny angôvo nokleary eto Madagasikara, nambarany fa tsy ampy ny angôvo azo avy amin’ny riandrano, sy ny masoandro, na ny hafa fotsiny, ilaina ihany koa hoy izy ny famokarana angôvo matanjaka avy amin’ny nokleary avy amin’ny Uranium, satria manana izany isika eto Madagasikara, any Vinaninkarena, sy any Sakoa, raha tsy hilaza afa-tsy ireo. Azo atao amin’izao fotoana hoy ity manam-pahaizana ity, ny manangana foibe nokleary madinidika na mini-central nucleaire, efa manao izany ny any ivelany ankehitriny, toy ny any Frantsa. Afaka hamatsiana angôvon’aratra tanàna toa an’Antananarivo ny foibe mpamokatra nokleary madinidinika ary tsy mampitahotra izany. Afaka hampiasaina ny antsoina hoe: technique de fusion, ny technique Hydrogène ary tsy miteraka loto amin’ny tontolo iainana ny famokarana angôvo avy amin’izany. Izany no zavatra azo atao, fa tsy teleferika izay tsy misy tombontsoa mivantana ho an’ny vahoaka.

Mijaly ny vahoaka

Nilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena ihany koa Pr Narison Stephan, amin’ny maha-filohan’ny fikambanana AGMM: Association Gasy Miara-Mandroso azy. Hita amin’ny zava-misy hoy izy fa tsy mandroso ny firenena, mihemotra aza hoy izy ny zavatra hita, satria tsy misy tombontsoa ho an’ny vahoaka mivantana ny zavatra ataon’ny mpitondra. Tokony hanova paikady ny fitondrana amin’izay, tokony hijery ny vahoaka izy ireo hoy ihany izy. Nosoritany fa tena mijaly ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana. Anisan’ny maneho izany ny fiakaran’ny vidin-javatra, avo roa, na avo telo heny, raha tsy hilaza afa-tsy izay. Ireny no tokony ho vahana, fa tsy ny werawera no ataon’ny fitondrana araka ny fomba fiteny amin’izao fotoana.

Ny momba ny lalampanorenana, saro-pady io ka tsy tokony ho kitikitihana, hoy ihany ity mpikaroka sy mpandinika ny raharaham-pirenena ity, ovaovain’ny mpitondra izy io araka ny maha-mety azy, tsy mety izay hoy Pr Narison Stephan.

Tsy mpomba na mpanohitra ny AGMM fa eo afovoany, na izany aza, tsy mankasitraka ny fitantanam-pirenena ataon’ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana ny AGMM. Noho izany dia tsy maintsy miteny ny tsy mety ny fikambanana.

Mahakasika ny mpanohitra, tokony hifanaraka izy ireo hanambatra ny hery, ka kandidà tokana no harotsaka amin’ny fifidianana ho avy, mba tsy hiparitahan’ny vato. Momba izay fifidianana ho avy izay, mbola tsy fantatra na hirotsaka na tsy hirotsaka ny filohan’ny AGMM. Ny zava-misy hoy izy, efa hita sy tsapa fa mitanila sahady ny arbitre na ny mpitsara ny lalao amin’io fifidianana ho avy io dia ny Ceni sy ny HCC, tsy azo ekena izany hoy Pr Narison Stephan.

Mahakasika ny hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, eken’ny AGMM izany, raha tena ho amin’ny tombontsoan’ny be sy ny maro sy ny firenena.