NY MPITONDRA ANDRANDRAINA

Miandrandra olona mahay no sady manam-pahendrena
Nefa itoeran’ny fanahy, hanarina ny firenena,
F’efa potika tanteraka ireo tsara mba nananana,
Anisany ny fandalana izany atao hoe fihavanana!

Ny mpitondra ankehitriny, tena mahalasa saina,
Fa tsy ananany mihitsy izay mba kalitao ilaina.
Tsy mba olon’ny fitiavana, na mba olon’ny fitserana,
Fa ny manavanana azy: ady seza, ady toerana!

Izay mijoro: na tanora, na ny vantony na sola,
Hany tokana imasoany: voninahitra sy vola!
Raha izay ho an’ireo vahoaka, tena tsisy vidiny aminy,
Ny hameno paosy hatrany, izay no hany tena maminy!

“Izy” sy “ny ho azy” hatrany no mampiasa be ny sainy.
“Izaho, “izaho” irery ihany no “mpisolotena” hainy!
Nefa izany no misisika, miezaka ny hanendry tena,
Toy ilay biby tsy lazaina, miomana ny handeha hiantsena!

…Hany ka tsy mahagaga, potika ny firenena.
Tsy mitsaha-mitotongana ny sehatry ny toe-karena.
Ka dia tokana no ilaina, mbola haverina eto indray:
Mpitondra manana fanahy no sady hendry sy mahay!

IRINA HO TAFITA (04-03-22)