Vondrona parlemantera TIM – Miantso ny depiote hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta

Helisoa

Nisy ny valandresaka nataon’ny solombavambahoaka Tiako i Madagasikara (TIM), tao amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza omaly. Tao anatin’izany no nanambaràn’ny solombavambahoaka filohan’ny vondrona parlemantera TIM, Fetra Ralambozafimbololona, izay nitondra ny tenin’ireto farany fa:
Tsy mitsahatra mitotongana ny fari-piainan’ny Malagasy ary miha-lalina hatrany ny fahantrana mianjady aminy. Ahitàna taratra izany ny fiainana andavanandron’ny mponina, izay tsapa fa miantehitra amin’ny fitserana sy ny indrafon’ny mpitondra fotsiny sisa, fa tsy afaka miatrika ny tena fihariana. Ny tarehimarika avoakan’ny manampahaizana manokana amin’ny fanombanana fikajiana ny lafiny toekarena dia tsy nahitàna lanja miakatra mihintsy nandritra izay vanim-potoana izay, fa mamoaka taha tsy mitsahatra ny miiba hatrany. Lasa anisan’ny firenena mahantra sy farahidiny eran-tany mihintsy i Madagasikara.

Manampy trotraka izany ny endrika tsy fahaiza-mitantana miseho lany eto amin’ny fitondràna ny firenena ary mampiaiky volana ny fisian’ny fanodinkodinam-bola sy kolikoly avo lenta miseho masoandro, kanefa tsy misy fandraisana fepetra matotra. Toy izany koa ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, izay toa efa lasa andavanandron’ireo tambazotra samihafa.

Zary lasa fomba fanaon’ny mpitondra ny endrika fanjanahan-tsaina amin’ny alalan’ny fampanantenana poak’aty lavareny tsy tanteraka.

Ny tsy fanajana sy fanitsakitsahana ny lalàna manan-kery ataon’ny mpitondra fanjakana hatrany ampiandohan’ity fotoam-piasana ity ary efa nanaovanay antso fanairana dia mbola mitohy hatrany. Tsy vitan’ny mampandringa ny rafi-panjakàna izay tokony ho efa tafapetraka hatry ny ela izany, fa mampirongatra koa ny toetsaina tsimatimanota eto amin’ny firenena.

Efa tsinjo sahady koa ny fikasana tsy hanatanteraka ny fanavaozana ifotony ny lisi-pifidianana, izay didian’ny lalàna ho tanterahina isaky ny 10 taona.

Ny trangam-pitondran-tena isan-karazany tsy mitsaha-miseho eo anivon’ny rafitry ny fitondram-panjakàna dia maneho ny tsy fahamatorana misy eo amin’izy ireo. Fa indrindra koa miteraka fiantraikany ratsy amin’ny fiainam-pirenena, satria zary fotoam-bery maina raha tokony hiatrehana ny tena asa andrasan’ny vahoaka amin’ny mpitondra.

Sesilany ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena ary hita fa tsy voafehin’ny mpitondra intsony.

Noho ireo antony voatanisa ireo dia mahatsapa ny vondrona parlemantera Tiako i Madagasikara, fa tsy mahavita ny andraikitra tandrify azy sy andrasan’ny vahoaka aminy ny fahefana mpanatanteraka, ka tonga ny fotoana tokony handraisan’ny solombavambahoaka ny fepetra araka ny andraikitra omen’ny lalàna manankery azy.

Noho izany, miantso ny solombavambahoaka rehetra ny vondrona parlemantera TIM, mba hiara-hijery akaiky ny zava-misy iainan’ny firenena sy izao fahantrana lalina mianjady amin’ny vahoaka izao, ka hiroso amin’ny fampiharana ny voalazan’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-103 izay manome alalana ny Antenimierampirenena haneho tsy fankasitrahana ny andraikitry ny mpanatanteraka, fitsipaham-pitokisana, na motion de censure ny governemanta, ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra dieny tsy mbola diso aoriana loatra.