Adin’i Rosia sy i Ukraine – Manameloka ny Rosiana ny antoko PSD

Nangonin’i Niaina

Manoloana ny ady eo amin’i Rosia sy i Ukraine amin’izao fotoana, misy ny fanambarana avy amin’ny antoko PSD (Parti Social Democrate), tamin’ny alalan’ny sekretera nasiônaliny Eliana Bezaza:
“Marina fa nanafika firenena tsy manan-tsiny ny tandrefana, ary namorona antony feno fihatsaram-belatsihy, mba hanamarinana ny tsy rariny nataony. Efa nanameloka izany izahay hatramin’izay ka hatramin’izao.

Fa na dia nisy aza izany, dia tsy azo ekena koa ny hetsika rehetra mitovy amin’izany, toy ny ady izay ataon’ny rosiana amin’ny any Ukraine, na inona na inona ny antony. Manani-bohitra sy manafika firenena tsy nihantsy ady, mamono sivily, zaza aman-behivavy, ary indrindra indrindra mampitahotra amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana nokleary izay mety hanapotika tanteraka na amin’ny ampahany ny planeta izay iainantsika. Rehefa atomboka ny herisetra dia sarotra sahanina, ka tsy fantatra izay hiafarany. Raha isika malagasy dia tsy tokony hanaiky ny fanjanahana izay ataon’ny firenena hafa amin’ny tanin’olona, satria isika mitaky ny famerenana amintsika ny nosy malagasy izay feno gazy natoraly hifandroritan’ny rehetra io.

Izahay PSD dia manameloka tanteraka an’izany fihetsika izany. Amin’ny maha sosialy demokraty anay, dia apetrakay ambony dia ambony ny fiainan’ny olombelona, ny fahafahana ary na inona ny tsy fifankahazoana dia tokony ny fifampiresahana an-databatra boribory no homena vahana.

Tsiahivina fa izany no namoronana ny « Charte des Nations Unies », na Satan’ny Firenena Mikambana dia ny fiarovana ny fandriampahalemana eran-tany, ny fiarovana ny zon’olombelona, ny fifanampiana amin’ny maha samy olombelona ary ny fampandrosoana maharitra. Izany rehetra izany dia eo ambany fifehezan’ny lalàna iraisam-pirenena”, hoy ny fanambaran’ny antoko PSD. Arak’izany, manameloka ny Rosiana ny antoko PSD amin’izao ady misy eo aminy sy i Ukraine izao.