Nofoanan’ny kaominina Antsiranana – Nivadika ho Vetaveta Party ny Pool Party ao amin’ny Hotel de la Baie

Niaina

Nofoanan’ny kaominina Antsiranana any amin’ny faritra Diana ny alim-pandihizana antsoina hoe Pool Party tao amin’ny Hotel de la Baie any an-toerana, satria nivadika ho lasa Vetaveta Party izany.

Nivaona tanteraka sy lasa hetsika mamoafady izany Pool Party nokarakarain’ity trano fandraisana lanonana ity. Nandray fanapahan-kevitra hentitra ny kaominina Antsiranana manoloana izany hetsika “Pool Party” nokarakarain’ny Hotel de la Baie Antsiranana izany, satria lasa mampanaonao foana ireo tanora. Tsy mahazo fahazoan-dalana hanao io hetsika io intsony ity Hotel lehibe ao Diego ity, ary tsy manan-kery intsony ireo fahazoan-dalana efa nomena teo aloha.