Fanavaozana ifotony ny lisi-pifidianana – Nangata-panazavana tamin’ny CENI ny antoko TIM

Helisoa

Tsy mitsahatra ny maneho hevitra mikasika fanomanana ny fifidianana izay hatao ny taona 2023 ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), hisian’ny fifidianana eken’ny rehetra, mba hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena. Manoloana izany, nisy ny fihaonana teo amin’ny filohan’ny CENI sy ny tale kabinetrany omaly, teo amin’ny antoko Tiako i Madagasikara, ka ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM: Rina Randriamasinoro sy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko Jean Claude Rakotonirina, no nisolotena ny antoko tamin’izany.

Nisy ny lesoka teo aloha tamin’ny fifidianana nisy teto amin’ny firenena. Teo ny fisian’ny doublon anarana miverimberina, karampanondro miverimberina, ny ankizy tsy ampy taona nifidy hoy Rina Randriamasinoro, ka tsy maintsy tokony hisy ny fanavaozana ifotony sy tanteraka ny lisi-pifidianana. Na izany aza anefa dia tsy tokony hihemotra ny fifidianana fa tsy maintsy hatao amin’ny 2023 ihany. Mialoha izany dia tokony hisy ny fikaonandoham-pirenena concertation nationale, hiarahan’ny daholobe mandinika ny tokony hitondràna ny fifidianana, mba ho eken’ny rehetra ny vokatry ny fifidianana hatao eo.