FIVERENANA MANGINGINA ?

Nangingina teny Ivato tamin’ny andro niverenany.
Tsisy angamba ireo voandalana ka dia menatra ny tenany
Toa tsy nahitan-kabary izay mitory fidedahana,
Lany koa angaha ny lainga sy karazam-pamitahana!

Izao no hevitra mipoitra raha aravona sy adika:
Tsy atokisan’ny mpamatsy intsony ny mpitondrantsika,
Noho ny fomba fitantanana tena tsy mangarahara,
Izay miseho ankehitriny eto Madagasikara!

Dia manampy izany koa ny tsy fisian’ny fahalalahana,
Fa mandeha ny teritery sy karazam-panavahana.
Izay miseho mba manakiana dia indreo fa toa fofoina,
Ka hazaina hatrany hatrany sy mazàna ampanantsoina.

Ny hany mba mahazo sehatra dia ny “vondro-mpisolelaka”,
Sy ireo nomena “saosy” na ireo nahazo “felaka”,
Fa ny hafa dia mazàna tena tratry ny antsojain’
Ny tarik’ilay mpampandihy midera tena ho mahay!

…Hatreto dia ambara tsotra ho mihamaizina ny sary.
Tsy hita izany fidorehitry ny hoe “volomboasary”.
Tsy mamokatra satria voasary mamy no antenaina,
Kanjo”manga lo” no mihintsana sy mameno zaridaina!

IRINA HO TAFITA (28-02-22)