HO ANAO IZAY TENA SOLOMBAVA

Solombava ve ianao? avia ka mijoroa indray,
Raha toa ka tena nofidiana hitondra ny hetahetanay.
Miraisa saina, mivondròna, f’aza tia mandeha irery.
Dia tsarovy, tadidio fa ny firaisana no hery!

Hoenti-mampizarazara, miasa mafy ny devoly.
Ampiasainy ny hevi-petsy mba hoenti-manangoly.
Ka dia aoka re ho mailo ianareo izay nofidiana,
Mitandrema sao ho lavo ka ho nenina any aoriana.

Mody atolony ny tanany mba ho mari- panajana,
Nefa ny firaisan-tsaina, izay no tiany horavana.
Eny, taominy aza ianao hanao sonia fifanarahana,
Saingy ny heviny dia tsotra: ny hampisy fisarahana!

Ka dia mbola miantso indray ‘zahay vahoaka izay nofaizina,
Tsy ho tratry ny indroa na koa ny intelo hahita maizina.
Ny firaisana hatrany no kendreo hijoro tsara,
Mba tsy handoto anao milaza ho “Tiako i Madagasikara”!

Tsy ny iray na roa deraina hoe mahay sy maila-bava,
Tsy izany loatra izao no tena ilaina k’aoka hazava,
F’ianareo rehetra ireo mivondrona amim-pahendrena,
No azo antoka indrindra hitondra ho amin’ny fandresena!

TSIMIMALO (03-03-22)