Fitondra Rajoelina – Mpanao mizana tsindrian’ila nefa milaza ho tsy momba ny atsy na ny aroa

Andry Tsiavalona

Araka ny vaovao nivoaka ny faran’ny herinandro lasa iny dia nangataka ny fitondrana eto Madagasikara ny masoivohon’ireo firenena maro any ivelany sy ny masoivohon’ny Vondrona Eropeana eto an-toerana mba hanameloka ny fananiham-bohitra ataon’ny Rosiana any Ukraine. Tsy hijery izay hevitry ny olompirenena tsotra, na momba na tsia izany antso izany eto, fa ny valitenin’ny lehiben’ny governemanta manoloana izany kosa no heverina fa manambara ny hevitry ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Raha ity toe-draharaha ity no jerena araka ny Lalàmpanorenana dia anisan’ny maneho ny Fiandrianam-pirenena ny fanehoan-kevitra ataon’ny mpitondra ary ny filohan’ny Repoblika no tsy maintsy mamaly amin’ny fomba ofisialy ny fangatahan’ny firenena maro aminy. Ny mahavariana sy manahirana anefa dia ny lehiben’ny governemanta, ny praiminisitra, no namaly fa « nisafidy ny tsy homba ny atsy na ny aroa » (non-aligné) i Madagasikara.

Tamin’ny andron’ny Repoblika faha-2 no nisy izany politikan’ny “tsy momba ny atsy sy ny aroa” izany. Azo lazaina fa tsy nitondra an’i Madagasikara na taiza na taiza izany raha ny tantatra eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena no halalinina. Ny tsapa dia toa midika ho tsy manao mizana tsindrin’ila izany ny fitondrana kanefa tsy izay ny zava-misy iainan’ny Malagasy eto an-toerana, nandritra ny telo taona nitantanan’izy ireo izay. Ny mpanam-bola sy manampahefana ary tomponandraikitra ihany no mahazo laka sy manjakazaka eo amin’ny sehatra sy ny fahefana misy rehetra. Tsy misy olompirenena tsotra, na inona na inona kilasy sosialy misy azy, ka tsy iharan’ny tsindry hazo lena sy tsy miditra am-ponja ary mahazo rariny rehefa mifanandrina amin’ny mpitondra manana ny hery sy ny tanjaka eo am-pelatanany. Iaraha-mahalala fa manana ny fitaovana sy hery ara-tafika ny Rosiana ary miantehitra amin’izany ka sahy mihantsy ireo firenen-dehibe mihitsy. Mahafantatra izany ny fitondrana Rajoelina Andry fa manao tsindry hazo lena ny firenena Okraniana izany Rosia ka nahoana izy no tsy sahy manameloka an’ity farany ? Araka ny vaovao dia avy any Rosia ireo fitaovam-piadiana narentirenty tamin’ny fotoana nanaovan’ny filohan’ny Repoblika fihaniana, ny 19 janoary 2009. Nandeha tany Rosia ny minisitry ny Fiaraovam-pirenena kanefa tamin’izany fotoana kanefa dia maizina tanteraka ny anton-diany tany. Tonga teto an-toerana ny manamboninahitra jeneraly ny faraparan’ny taona 2021 ary nihaona tamin’ny praiminisitra kanefa dia tsy nisy fanambarana ofisialy momba izany.

Niresaka tamin’ny masoivohon’i Rosia ny minisitry ny Raharaham-bahiny andro vitsy lasa izay ary tsy fantatra ihany koa ny votoatin’izany fihaonana izany. Ireo tokoa, angamba, no tonga amin’ilay fitenenana hoe “secret d’Etat” ka tsy ilaina hampahafantarina ny vahoaka Malagasy. Tsy mahagaga araka izany raha tsy sahy mandray fanapahan-kevitra hentitra manolohana ny toe-draharaha misy any Ukraine izao ny mpitondrana eto Madagasikara. Toy ny eto an-toerana ihany, tsy miaro ny madinika mihitsy ny mpitondra, na dia fantany izao aza fa manana ny rariny sy ny hitsiny aza iretsy voalohany. Fantany ihany koa fa fananiham-bohitra no ataon’i Rosia any Ukraine kanefa fantany ihany koa fa malemy ity farany ka ho sahirana izy raha manameloka iry voalohany raha toa sanatria ka milavo lefona ity farany. Ho tapaka ihany koa anefa ny fanampiana sy famatsiana avy any amin’ireto firenena sy ny Vondrona Eropeana nangataka ny mpitondra eto Madagasikara hanameloka an’i Rosia raha toa ka misafidy ny hanohana ity farany ny manampahefana malagasy.